Mois : décembre 2022

Distrikan’Ikalamavony: olona roa ahina ho matin’ny pesta

Mampiahiahy fa toy ny trangan’aretina pesta no nahafaty ireo olona roa ao Ikalamavony. Tsy mbola voaporofo anefa izany fa manohy ny fitiliana sy ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra eny ifotony. Nisy olona roa namoy ny ainy vokatry ny trangan’aretina mampiahiahy tao amin’ny tanà­nan’Ambala­manantsara, fo­kon­tany Ivozo­na, kaominina Mangidy ao amin’ny distrikan’ Ikalamavo­ny, […]

Tsingerin-taona faha-50: hanao hetsika ny elatra MFM Rakotovazaha

Tratry ny fizarazarana na samy eo anivon’ny fanoherana aza. Hifamotoana etsy amin’ny hotely iray etsy Anosy, anio tontolo andro, ny elatra MFM, miara-dia amin-dRakotovazaha Olivier, filoha nasionaly vonjimaika. Hana­marika ny faha-50 taonan’ny antoko koa izy ireo. Hisy ny fotoam-bavaka sy fanehoana an-tsary ny lasan’ny “Ma­fa­na”, hatramin’ny niorenany amin’izany. Eo koa […]

Fitantanana kaominina: nizara ny tsiambaratelony ny ben’ny Tanàna A. Parisoa

Iza izy ? Andriambolanarivo Parisoa. Ben’ny Tanànan’i Imeritsiatosika. Mpankafy baolina kitra ny tenany. An­isan’ny fialamboly ankafiziny ny mijery horonan-tsarimihetsika sy ny mamaky boky. Tia ireo hira ilay antsoina hoe “Vazo miteny” sy ny hira milamindamina. Tiany avokoa rehefa sakafo malagasy. Nanamarika ny fiainany ary anisan’ny nahafaly azy ny nafahany ny […]

Andriamiarisoa Daniel: “Samy afa-maneho hevitra ny rehetra”

“Amin’ny antoko Mada­gasikara ho an’ny Malagasy tarihiko, samy afa-maneho hevitra avokoa na ny mpanohitra na ny fitondram-panjakana na ny olom-pirenena satria tany demokratika i Ma­dagasikara”, hoy ny filohan’ny antoko Madagasikara ho an’ny Malagasy(MHM), Andriamiarisoa Daniel, manoloana ny fangatahana ny mpanao politika etsy sy eroa ny tokony hisian’ny fiatoana na fitoniana […]