Ao anatin’ny fitsidihan-dRamatoa Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena ao amin’ny faritra Afrika Atsimo sy Atsinanana. Dia nihaona tamin-dRamatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, Minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola tetsy Alarobia, omaly 7 desambra ny filoha lefitra sy ny ekipany izay miasa eto Madagasikara. Ny fiaraha-miasantsika sy ny Bretton Woods […]
Mois : décembre 2022
Harena an-kibon’ny tany: hanana Bam i Fenoarivo Atsinanana
Ankoatra ny sehatry ny voly fanondrana, toy ny lavanila, ny jirofo, ny letisia, manana harena an-kibon’ny tany koa ny faritra Analanjirofo. Mila fitantanana mahomby anefa izany, amin’ny maha harena tsy azo havaozina azy. “Izay no antony nametrahana ny Biraon’ny fitantanan-draharahan’ ny harena an-kibon’ny tany (Bam) any Fenoarivo Atsinanana”, hoy ny […]
USAID Ranowash-MEAH: nahazo rano fisotro madio ny any Morarano Chrome
Notokanan’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, sy ny delegasion’ny USAID-Ranowash, ny 6 desambra teo, ny fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio, any Morarano Chrome sy Morarano Gara, distrika Amparafaravola sy Moramanga, faritra Alaotra Mangoro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Ranowash tohanan’ny USAID, iarahana amin’ny minisitera MEAH. Miisa 24.000 ny […]
Fiovan’ny toetr’andro: ilaina ny fiantohana ny fambolena
Araka ny fanadihadiana nataon’ny SFI*, tsy misy fiantohana momba ny fambolena eto Madagasikara, nefa betsaka ny iharan-doza, vokatry ny fiovan’ny toetr’andro ankehitriny. Tsy vitsy ny tantsaha maniry ny hisian’ny fiantohana momba ny voly, hita izany eto amin’ny faritra Analamanga, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Matetika loatra ny tondra-drano, hain-tany […]
Tetikasa Africa Rice: ahazoana vokatra 7t/ha ny vary evoka
Tapitra ny ESA Parboil, na tetikasa fanaovana vary evoka, ao anatin’ny fandaharahasa Africa Rice, tohanan’ny sampana fampandrosoana alemà GIZ ara-bola. Tafakatra hatrany amin’ny 7ha/taonina ny vokatra azo avy amin’ity karazam-bary ity. Nilaza ny lehiben’ny Africa Rice Madagasikara, ny Dr. Gaudiose Mujawamariy, fa tanjona ny fampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamokatra, iadiana […]




