Nanao fanambarany ny eo anivon’ny Tim, tamin’ny alalan’ny filohany, Ravalomanana Marc, omaly. Nambarany tamin’izany fa handray fanapahan-kevitra ara-politika lehibe momba ny zotram-pifidianana eto amin’ny firenena izy ireo raha tsy misy ny fepetra raisina hanarenana maika izao tontolo manodidina ny fifidianana izao. Notanisainy tamin’izany fa tsy milamina ary tsy azo antoka […]
Mois : décembre 2022
Filoha Rajoelina : “Ezahina ny famokarana anatiny”‘
Nandray ny filoha vaovao mitantana ny Fida, Alvaro Lario, ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Anisan’ny noresahan’ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao ireo seha-piaraha-miasa eo amin’ny roatonta. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, iarahana amin’ ireo tetikasa Defis, Formaprod, Cosop… “Fanamby ho an’i Madagasikara ny famokarana […]
Fanarenana ny fitaterana anahabakabaka: ho avy ny fiaramanidina vaovao, Embraer 190, E2
Natao teny Iavoloha, omaly ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny orinasam-pitaterana an’habakabaka, Azzora. Nanatrika izany teny an-toerana ny filoha Rajoelina Andry ary nametraka fanamby ny hanarenana ny Madagascar Airlines. Tsy ho ela intsony ny fiaramanidina vaovao. Nivoitra tamin’ny lahateny ny fahavonanan’ny fanjakana hametraka amin’ny toerany ny fitaterana an’habakabaka […]
Fitsipaham-pitokisana: mila ny roa ampahatelon’ ny depiote
Azon’ny Antenimierampirenena atao ny maneho tsy fankasitrahana ny andraikitry ny governemanta amin’ny alalan’ny latsabato fitsipaham-pitokisana, araka ny voalazan’ny And. 103 ao amin’ny lalàmpanorenana. Tsy azo raisina anefa ny tolo-kevitra toy izany, raha tsy ny antsasaky ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena no manao sonia azy. Solombavambahoaka miisa 76 amin’ny 151 no […]
Fikambanan’ny Antenimiera : tsy afa-nanatrika ny fivorian’ny Sadc i Madagasikara
“Matoa isika miditra ao anatin’io fikambanana io, tokony hanaja ny fepetra rehetra. Ny mampalahelo: raha tsy afa-nandeha hanatrika ny fivoriana isika, tokony ho nampahafantatra mialoha ny antony”, hoy ny depiote, i Masy Goulamaly, ny amin’ny tsy fandraisana anjaran’ny fikambanan’ny Antenimera sy ny teknisanina malagasy amin’ny fivoriana eo anivon’ny Sadc tanterahina […]




