Marihina isaky ny 8 desambra ny Andro maneran-tany momba ny toetr’andro. Olana lehibe sedrain’ny firenena rehetra ny voka-dratsin’ ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ny fiakaran’ny hafanan’ny tany vokatry ny fisian’ny entona mangeja hafanana be loatra manimba ny sosona ozona. “Efa manana sampanasa efatra ny orinasam-pifandraisana Orange iadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro indrindra […]
Mois : décembre 2022
Clinique Amadia Faravohitra : omena toromarika ireo ankizy sy tanora diabetika
Tsy aretin’ny zokiolona na ireo efa mahazo taona intsony ny diabeta fa efa mahazo ny ankizy sy ny tanora ihany koa io toe-tena io ankehitriny, hoy ny ao amin’ny Amadia. Hisy, araka izany, ny hetsika karakaran’ity ivontoerana mandray an-tanana ny olona diabetika ity ny asabotsy 10 desambra izao ho an’ireo […]
Tsenan’Analakely : nanadio ny lalana ny mpivarotra sy ny kaominina
Toy ny fanaon’ny fikambanana isam-bolana, nisy ny fanadiovana faobe natao nanomboka teny amin’ny Zaimaika hatreny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny omaly 6 desambra. Ho fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina sy ny fahatsapan’ny fikambanan’ny mpivarotra eny amin’ny faritr’Analakely (Fimpizoa) ny anton’izany. Hetsika notanterahina niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) izay ny manohana […]
Nitokona ny mpianatry ny ENS: raikitra ny doro kodiarana tetsy Ampefiloha
Mitaky ny handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana ny mpianatra “normaliens” vita fiofanana. Nanapa-dalana tetsy Ampefiloha izy ireo, omaly. Nanomboka omaly ary tsy hijanona intsony ny hetsika fitokonana raha tsy tafavoaka ilay décret vitan’ny tomponandraikitra rehetra sonia manambara fa hatao laharam-pahamehana ny fandraisana ny mpianatra nivoaka tao amin’ny Ecole normale supérieure […]
Tenisy – Mada 2022 : manjaka i Vakinankaratra
Nitohy omaly talata, tao amin’ny kianja Acmil Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Raha ny vokatra, saika nandresy avokoa ireo mpilalao avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra, mpampiantrano, eo amin’ny sokajy “veterans”, izay nahazoan’izy ireo fandresena miisa 4. Anisan’izany, i Mampianina, nandavo an’i Eric avy any Antsinanana, tamin’ny seta […]




