Mois : décembre 2022

Foiben’ny arsivam-pirenena : horesahina ny mpitsidika ny mozea

Anisan’ny fiovana lehibe amin’ny fomba fiasan’ny foiben’ny Arsivam-pirenena eny Tsaralalana ny fanatanterahana tsy miato ny «Atri­kasa 2022». Lohahe­vitra sy mpandaha-teny maro no efa nifandimby nanatontosa iza­ny. Ho an’ny 9 desambra izao, hifantoka amin’ny «Ny mpitsidika ny mozea sy ny asa fikajiana ny vakoka» ny velakevitra hoentin-dRaza­findramboa Marie Hortense, mpitahiry vakoka. […]

Ady amin’ny famatsiam-bola: hiara-miasa ny Samifin sy ny mpahay kaonty

Vita sonia teny Am­bo­hi­janaka, afakomaly, ny fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ ny Samifin sy ny holafitry ny mpahay kaonty (expert comptable). “Mikirakira kaontin’ny manan-draharaha ao aminy no ataon’ny mpahay kaonty. Koa raha mahita zavatra manaitra azy mety ho famotsiam-bola na famatsiam-bola asa fampihorohoroana izy, mankany amin’ny manan-draharaha aminy manontany izany”, hoy ny […]

Fanavaozana lisi-pifidianana : azo hahemotra ny fe-potoana fanisana mpifidy

“Vinavina no nanaovana ny daty 31 desambra, fe-potoana fanisana mpifidy. Hatao raha hita hoe tokony hahemotra kely io daty io, fa tsy misy lalàna hoe tsy maintsy 31 desambra no hamaranana ny fanisana mpifidy.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, taorian’ny fihaonany tamin’ny mpandrindra maharitry ny Firenena […]

Olan’ny Antenimierandoholona : nanolo-kevitra ny minisitry ny Fitantanam-bola

“Rehefa nisy ny fangatahana vola fanampiana, matetika ny hanaovana fandaminana anatiny no soso-kevitra arosonay. Ny vola efa ao anatiny ihany no halamina amin’ ny tsy fahampian’ny vola eo an-tanana : kaonty atsy, afindra aroa”, hoy ny minisitry ny Toakerana sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo mpiasa eo […]