Manetriketrika ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana ka nahazo dilaoma tao amin’ny Oniversite FJKM Ravelojaona (Onifra) izay notanterahina teny Ivato, ny faran’ny herinandro teo. Miisa 289 ireo mpianatra nisalotra ny andiany Ilo ka nahazo ny diplaoma Licence sy Master rehefa nianatra nandritra ny taona maro. Nitsinjara tamin’ ny lalam-piofanana samihafa […]
Mois : décembre 2022
Akaiky fety: mahaliana ny vehivavy ny fikarakarana volo
Rehefa volon’andro fety toy izao, maro ny vehivavy mikarakara volo: manatsotra, mandoko, manao “curly”, sns. Ilaharana ny toeram-panaovam-bolo sy tarehy eto an-dRenivohitra, raha ny fanadihadiana natao. “Mila fantenina tsara ny “salon” hidirana mba tsy hanimba ny volo sy ny tarehy”, hoy ireo nanontaniana. Manomana vola manokana hikarakarany ny endrika amam-bikany […]
Niakatra ny isan’ny tranga sy ny faritra: 229 ny tranga vaovao, iray lavon’ ny Covid-19
Mila mailo ny rehetra fa mbola mitoetra eto amintsika ny valanaretina Covid-19 ary mamono mihitsy. Tokony samy hanaja ny fepetra tsy hiparitahan’ny tsimokarertina ny isam-batan’olona. Nisy mararin’ny Covdi-19 iray indray maty tao anatin’ny herinandron’ny 26 novambra ka hatramin’ny 2 desambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Roa ny […]
Karate: samy hitondra fanazavana i Solofo sy i Emile
Hitodi-doha hiverina eto Madagasikara ny delegasiona malagasy avy amin’i Solofo Barijaona sy i Emile, rehefa avy niatrika ny fiadiana ny tompondaka natao tany Durban, ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ho samy manan-kambara hanazavana ny toe-draharaha nisy tany an-toerana ny andaniny sy ny ankilany, amin’ ny fahatongavan’izy ireo rahampitso, izay inoana […]
Judo – Grand Slam de Tokyo: Resy tamin’ny Ippon i Lova Mahaisoa
Nifarana omaly, tany Tokyo Japan, ny fifaninanana « Grand Slam de Tokyo »n taranja Judo. Tsy nahomby ny solontena malagasy nandray anjara, Randrianasolo Lova Mahaisoa, izay nihintsana tamin’ny dingana voalohany, tamin’ny alalan’ny Ippon, nanoloana ny mpifanandrina taminy, i Stodolski Adan, judokas Polonais, sokajy latsaky ny 73 kg. Judokas tokana nifaninana […]




