Mois : décembre 2022

Cross-Country – «Mada 2022»: ho any Aostralia i Clement sy i Nathalie

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2022, eo amin’ny ta­ranja Cross-country i Vonina­hitsy Clement, atletan’ny Cosfa Analamanga sy Rasoa­niaina Nathalie avy amin’ny Cami Itasy. Araka izany, hi­solo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hatao any Bathurst Aostralia, ny 18 fe­broary 2023 izy ireo. Ireo no vokatry ny fifaninanam-pirenena, notanterahina […]

Kitra – “Orange Pro League 2022”: rava tsy lera ny lalaon’ny Ajesaia sy ny TFFC

Tsy tontosa hatramin’ny farany ny lalaon’ny Ajesaia Bongolava sy ny Tsaraman­droso Formation Boeny (TFFC). Fihaonana, notanterahina teny amin’ny kianjan’Ambo­hi­dra­trimo, omaly alahady ary tafiditra amin’ny andro fahatelo, ho an’ny kaonferansy avaratra. Niato teo amin’ny minitra faha-87, noho ny fifandonan’i Feno, mpilalaon’i Bongolava sy ny mpiandry tsatobin’ny TFFC, ka nahatonga ny fifampikasihan-tanana, […]

Bodybulding-Tompondaka eran-tany: hiakatra an-tsehatra rahampitso ny Malagasy

Bokona hozatra malagasy 5 mianadahy no nihazo an’i Thailande hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja Bodybulding. Vonona tanteraka izy ireo hiambozona medaly. Hanomboka rahampitso any Thailande ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja body­bulding. Manana solontena 5 mianadahy ny Malagasy, ahitana an-dRandrianari­manana John Mario (Bigman), Marinjara Maurice, Andria­tsilavina […]

Seho sy boky: nahasarika olona ny “Vahindanitra”

Araka ny efa nampoizina, nahaliana olona maro, mpianatra, mpampianatra, mpankafy literatiora sy mpikaroka isan-karazany ny hetsika “Vahindanitra” notantera­hin’i Riva, ny zoma 2 desambra teo tetsy amin’ny Trano­m­bokim-pirenena Anosy. An­ko­atra ny seho an-tsehatra, nomarihina tamin’ny tsangambato famoaham-boky “Vahindanitra” izany. I Ma­m­pandriniaina Manitra teo amin’ny fanentanana. Name­lona ny seho tamin’ny fiantsana ry […]