Nirefodrefotra ny basy, ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ ny 03 ora maraina tao Anjiamangirana II, distrikan’Antsohihy. Maty voatifitry ny zandary ao an-toerana i Ndrianary, mpimasy sady dahalo mpamerin-keloka. Isan’ireo anaran’olon-dratsy atao hazalambo ao amin’ny distrikan’ Antsohihy izy ity. Efa nifampitadiavana tao anatin’ny telo volana sy 21 andro izy ka […]
Mois : décembre 2022
Dahalo rain-dahiny: rotidrotiky ny bala i Reveto
Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana i Reveto, dahalo raindahiny mpangalatr’omby tao Antongomavo, fokontany Tsarabanja, kaominina Ankirihitra, ny zoma teo. Lasan’i Reveto sy ireo dahalo namany ny omby tao Mahatsinjo/Valala, kaominina Marie, distrikan’i Kandreho, ny 29 novambra.Niara-nientana tamin’ny fokonolona noho izany ny zandary nanao ny fanarahan-dia sy nikaroka ireo olon-dratsy. Tra-tehaka, […]
Fisafoan’ny zandary: jiolahy nahatrarana fitaovam-piadiana
Namoy ny ainy teny an-dalana hanoro ireo namany, maty voatifitra rehefa nikasa hitsoaka ny jiolahy iray tao amin’ny fokontany Sarilasy, kaominina Ambidirina, distrikan’ i Vondrozo, ny faran’ny herinandro teo. Voasambotra nandritra ny fisafoana amin’ny alina nataon’ny mpitandro filaminana, ny 24 novambra, notanana natao fanadihadiana ity jiolahy ity. Rehefa nosavaina ny […]
Lozam-pifamoivoizana: olona dimy naratra, zazakely valo volana ny iray
Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tamin’ny lalam-pirenena fahafito, tao Amindrasahona, kaominina ambanivohitr’i Talata Ampano, omaly hariva. Latsaka tao amin’ny tetezan’i Berangitsa izy rehefa nihazo an’ny Fianarantsoa. Raha ny fantatra, vaky ny kodiarana havanana alohan’ny fiara ka nitarika ny loza. Vokany, olona dimy naratra nahitana zazakely valo volana iray. Efa noentina any hopitaly […]
Fifampitifirana: jiolahy 10 voasambotra, telo matin’ny polisy
Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny polisim-pirenena ao Mahajanga manoloana ny ady amin’ny asan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika. Jiolahy telo maty voatifitra raha azo sambo-belona ny naman’izy ireo. Mpangalatra 10 mianadahy voasambotry ny polisy tao Mahajanga, ny asabotsy teo. Miisa telo kosa maty voatifitry ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonan’ny roa […]




