“Raha tonga amin’ny fanovana na fametrahana lalàna mifehy ny fitantanana sy ny fikarakarana ary fanajariana ny rano, vonona izahay eto anivon’ny Antenimierampirenena”, hoy ny depiote voafidy tany Ikongo tamin’ny anaran’ny IRD sady filoha lefitra, faritanin’i Fianarantsoa, eo anivon’ny Antenimierampirenena, Razafintsiandraofa Jean-Brunelle, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny hetsika momba […]
Mois : décembre 2022
Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy vitan’ny fitondrana foibe irery ny fampandrosoana”
Naneho ny heviny amin’ny fitantanana eny ifotony ny Praiminisitra Ntsay Christian tany Ihorombe, ny herinandro teo. Niaiky ny tenany fa tsy tokony hatao resa-be fotsiny ny fitsinjaram-pahefana. “Tokony hiaiky ny fanjakana foibe amin’ izay tsy vitany, aleo homena fahefana sy fitaovana ary fidiram-bola ny any amin’ny faritra sy ny kaominina”, […]
Filoha Rajoelina Andry : “Aoka tsy hokorontanin’ny sasany ny saintsika…”
Nomarihiny ny asabotsy teo ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny lalambe migodana “Autoroute” hampitohy an’ Antananarivo sy Toamasina. Nanomboka izany tao Ambolo, Talata Volonondry ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany fa manatanteraka ny asa isika izao ary miasa haingana. Mamaly ny ambaran’ny sasany fa tsy ho vita io… […]
Fampandrosoana iaraha-manana
Hatramin’izao, resabe etsy sy eroa hatrany ny amin’ny sosialim-bahoaka na ny fiainam-bahoaka ifotony: ahoana ihany, aiza… Efa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny karazana fanampina sy tosika. Na izany aza, tsy hita be ihany ho an’ny sasany tsy mety afa-po? Na tsy laharam-pahamehana, na tsy tena imasoana, na tsy zava-dehibe… […]
Tsy nahavotr’aina: kilan’ny afo i Jessica kely
Zava-doza ny nanjo azy mianakavy kely ! sady kilan’ny afo, tsy mba afaka nanavotra aina ilay ankizivavavy vao folo taona, izay sembana no hotohoton’ny afo ny fananana rehetra. Nitrangana haintrano mahatsiravina namoizana ain’olona tao amin’ny fokontany Antsiranampasika Toamasina parisela 14/11 «Carreau» faharoa, ny asabotsy tamin’ny 12 ora sy 30 mn […]




