Ankehitriny , miatrika krizy momba ny tontolo iainana roa ny tany , dia ny fiovan’ny toetr’andro sy fahasimban’ny zavaboahary . Tokony handray fepetra hiaro ny planeta tany isika noho ny loza efa mihatra amin’izao fotoana. Mila arovana farafahakeliny ny 30 % ny tany alohan’ny taona 2030, hiarovana ny zavaboahary ao […]
Année : 2022
Fanafihan-jiolahy: raim-pianakaviana maty niboraka tsinay
Maty voatifitry ny jiolahy roa lahy nitam-basy ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Ranotsara avaratra, ny alin’ny 25 hifoha 26 desambtra teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ao an-toerana ireo jiolahy. Nandondona ny varavarana, tsy namaha ny tompon-trano. Nanakana sady niaro ny vadiny tamin’ireo olon-dratsy ny […]
Mafana !
Mafampana ny raharaham-pirenena na eo aza ny fety. Mbola mitohy ny fifampihantsiana sy ny fifandrangitana eny amin’ny tambajotran-tserasera ataon’ny herivelona rehetra. Na ny mpanohana an’izatsy , na ny mpiandany amin’izaroa dia samy manovokovoka. Tsy misy fitoniana politika izany, tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy mahasakana ny mpankafy sy mpanohana mahafatra-po tsy […]
Mpangalatra niady: noesorina voamaso, notapahina filahiany
Samy any an-tampony samy reraka ! tsy nifanaraka teo am-pizarana ny remby ireto mpangalatra vary. Vokany, noesorin’ny namany ny voamaso sy ny filahian’ny iray tamin’izy ireo. Samy nangala-bary, nifandramatra ary nifamono ho faty ny andiana malaso, tao amin’ny fokontany Maherinteny, kaominina Efatsy, distrikan’i Farafangana, afakomaly. Vao mangirandratsy handeha hanara-maso ny […]
Ambohimitsimbina : jiolahy nahatrarana basy sy bala roa
Nisento tokana indray ny mponina teny Ambohimitsimbina taorian’ny fahatraran’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo ireo jiolahy raindahiny, omaly atoandro. Isan’ireo jiolahy nampitondra faisana teny Ambohimitsimbina sy ny manodidina iny ry zalahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Malaza ratsy amin’ny halatra miharo herisetra sady mampiasa fitaovam-piadiana. Manoloana […]




