Olona efatra indray naratra : fiara 4×4 nifandona tamin’ny taksiborosy

Olona efatra naratra vokatry ny fifandonana teo amin’ny fiara 4×4 sy taksiborosy iray, tao Ambohimahasoa, afakomaly…

Nitrangana lozam-piarakodia nandratra olona indray teny amin’ny RN7, tao Ialatsara fokontany Ampanidinana, kaominina sy distrikan’Ambo­­hi­­mahasoa, afakomaly hariva tamin’ny 6 ora. Fiara 4×4 iray marika Mitsubishi ni­ainga avy aty Antananarivo hihazo an’i Fianarantsoa no nifandona tamin’ny taksiborosy iray an’ny kaoperativa Sonatra avy any Manakara hihazo aty an-drenivohitra. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny kaomandin’ny borigadin’ny zandarimaria Ambo­hima­hasoa, vokatry ny tandrevaka teo amin’ny mpamilin’ilay fiara 4×4 no nahatonga ny loza. Nandeha mafy ilay mpamily, tsy na­hafehy ny familiana ka nifatratra tao amin’ilay taksiborosy. Voka­ny, mafy ny fifandonana, olona efatra indray naratra. Nalefa notsaboina vonjimaika ireo naratra. Nandray ny andraikiny koa ny zandary tamin’ny famindrana ireo mpandeha ta­min’ny taksiborosy hafa. Samy nahitana fahasimbana ireto fiara roa nifandona ireto. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary ao Ambo­hi­mahasoa. Na teo aza ity loza ity, tsy nisy kosa ny aina nafoy. Tsy vao izao fa ahitana lozam-piarakodia ma­tetika iny RN7 iny. Ankoatra ny lalana ratsy, eo koa ny tandrevaka ataon’ireo mpamily sasany.

Jean Claude

Partager sur: