Rugby – « 6 Nations » : maratra i Woki, mpilalao frantsay

Tsy afaka manao ny fifaninanana “6 Nations” i Came­ron Woki, mpilalao frantsay. Dimy andro mialohan’ny fampivondronan’ny ekipa frantsay, nahazo vaovao i Fa­bien Galthié, mpanazatra ny XV de France fa maratra i Woki. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly, haharitra fito herinandro vao ho sitrana ny lehilahy.
Raha hiverenana ny ratra nahazo azy, tapaka ny tanany nandritra ny fihaonan’ny Harlequins klioba anglisy sy Racing 92 RC Frantsa. Lalao izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Champions Cup”. Tohina tanteraka ity mpanazatra frantsay ity, i Woki dia isan’ireo mpilalao andry iankinan’ny ekipa frantsay. 24 taona i Woki, ary efa in-20 voaantso tao anaty ekipam-pirenena frantsay.
Marihina fa hanomboka amin’ny 5 febroary izao ny “6 Nations”. Ny ekipa italianina no hihaona amin’ny Frantsay amin’io andro io, any Roma, renivohitr’i Italia.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: