“Tsy misy ady na fifamonoana eto. Inona ny fampihavanam-pirenena tadiavina? Any amin’ny tany misahotaka sy mifamono ary miady an-trano no ilàna izany”, hoy ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Rakotovao Vy Vato. Ny hevitra no tsy mitovy. Izany no demokrasia. Malalaka ny fitenenana sy ny fitsikerana. Tany tsy miady ary miezaka milamina. […]
Mois : janvier 2023
Namearison Robert : “Andao haka hevitra hanatsarana ny lalàm-pifidianana”
“Andao haka hevitra amin’ ny faritra 25 no hevitry ny KMF/Cnoe. Ny anaovanay azy hoe faritra 25: zaraina telo ny faritra Analamanga”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, i Namearison Robert. Ny 20 isaky ny faritra ahitana efatra avy amin’ny fanoherana, efatra mpanohana ny fitondrana, efatra avy amin’ny firaisamonina sivily ao […]
Antenimierandoholona: hampitombo ny zanakazo hovoleny
Hamboly hazo indray ny eo anivon’ny fianakaviamben’ ny Antenimierandoholona ho tohin’ny efa natao tany Tsaramasoandro, Ankazobe ny taona 2022. Hotanterahina ny zoma 3 sy ny asabotsy 4 febroary izao izany. “Hampitomboina ho 64 000 ireo zanakazo hovolena amin’ity taona ity raha 40 000 izany teo aloha. Hitombo tahaka izany koa […]
Minisiteran’ny Fitsarana: “Tsy maintsy jerena ny didy fa mety hamotika olona…”
Nanaovana atrikasa manokana . Notanterahina tetsy Antaninarenina, omaly, ny fiofanana sy fifampizarana eo amin’ireo mpitsara eo anivon’ny fitsarana fandravana didy. Nanafatrafatra ny momba izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Raby -Savatsarah Ain’Harimanga Gabrielle fa anisan’ny andry farany iankinan’ny manan-draharaha ary andrandrainy mba hampanjaka ny fahamarinana […]
Matin’ny jiolahy i Fidelys: namela kamboty 12 mianadahy
Namela zanaka 12 mianadahy, maty voatifitry ny olon-dratsy ny lehilahy iray hanavotra ny zanak’anabaviny tao Valpinson, Toamasina, omaly maraina. Tamin’ny 8 ora sy 50 minitra, teo amin’ny sampanan-dalana efatra avy ao Morafeno mihazo an’i Valpinson, 100 metatra tsy ahatongavana amin’ny paositra misy ny Fip ny lalan’ ny lehilahy iray atao hoe […]




