Mois : janvier 2023

Tetezana ao Vohiposa: misy mangalatra ny vy

Ahiana hitera-doza raha mitohitohy, vy be mirefy efatra metatra mihazona ny tetezana ao amin’ny 2 km tsy hiditra ao Vohiposa no lasan’ny mpangalatra, ny 18 janoary teo. Sendra nanao fisafoana, tsikaritry ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana fa tapitra noesorin’ny olon-tsy fantatra avokoa ireo vy ireo. Atao hoe “Kadiomby”, miisa […]

Vokatry ny ora-nikija : vehivavy iray maty an-drano

Namono olona indray ny orambe tao Sahave, kaominina ambanivohitra Vohiposa, distrikan’ Ambohimahasoa, ny alatsinainy 16 janoary teo. Noentin’ny rano, tsy hita nanomboka ny alakamisy 12 janoary ny ramatoa iray tsy salama saina. Avy tamin’ny tanàna atao hoe Ingotra Ava­ratra, fokontany Anaradakana saika hamonjy ny havany ity renim-pianakaviana ity. Tao anatin’ny […]

Fandrobana volabe 136 tapitrisa Ar : ea-dahy naiditra eny Tsiafahy, vehivavy iray eny Antanimora

Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny lehilahy efatra, raha eny Antanimora kosa ny vehivavy iray rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana narahina vonoan’olona teny Behoririka izy ireo… Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireto olo­na dimy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha fanafihana narahana vonoan’olona nahaverezana volabe 136 […]