Mifanaraka amin’ny politika nofaritan’ny fanjakana ny fiaraha-miasa nosoniavina omaly, teo amin’ny NuRAN Wireless, orinasa kanadianina sy ny Orange Madagascar. Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta hanitatra ny tambajotra any ambanivohitra, ka tanàna 500 no hisy fifandraisana mahakasika mponina 1 tapitrisa mahery. NuRAN Wireless, orinasa hametraka fitaovam-pifandraisana amin’ireo toerana ireo hatramin’ny 2025, […]
Mois : janvier 2023
Hanokafana ny Base Toliara: mitaky ny zony amin’ny fampandrosoana ny kaominina Tsianisiha
Manodidina ny 25.000 ny mponina any amin’ny kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II, ahitana fokontany 18. Mangetaheta fampandrosoana izy ireo, saingy manjaka ny tsy fandriampahalemana satria tsy misy ny asa. Ratsy ny vokatry ny fambolena vokatry ny tsy fahampian’ny rano, araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna, Jummerman antsoina hoe « Dada ». Nahavonjy ny […]
Indray mijery
Ny oniversiten’i Fianarantsoa no nisitraka voalohany ny fanohanana ara-pitaovana ho fanatsarana ny fiantohana ny kalitaom-pampianarana. Noraisan’ny oniversiten’i Fianarantsoa, afakomaly, ireo fitaovana ireo vokatry ny fiara-miasa avy amin’ny mpamatsy vola sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Ho fanohizana ny fiofanana efa natao tamin’ny volana novambra lasa teo momba ny […]
Tapaka ny lalana : mitoka-monina i Morafenobe, midangana ny vidin’entana
Vokatry ny orambe nisesy tany amin’ny faritra Melaky, izay niteraka riaka matevina, tapaka tanteraka, ny zoma teo, ny lalana “radier” mampitohy an’i Morafenobe sy i Maintirano. Eo amin’ny 1 km tsy hidirana ny tanànan’i Morafenobe ny fahatapahana ka lasa mitoka-monina ny tanàna. Tsy misy ny fivezivezen’ny fiara mpitatitra entana. Niakatra […]
Faharatsian’ny tatatra : dibo-drano sahady i Toamasina
Mbola tsy rivodoza akory fa tandindony fotsiny, izay mitondra orambe mitsitapitapy sy rivotra antonony aloha hatreto no misy ao an-dRenivohitr’ i Betsimisaraka. Ankilany, efa manano sarotra ny fifamoivoizana, tsy manao kiraro ireo tsy manana fiara raha hiala any an-trano hamonjy sekoly na toeram-piasana fa efa milanja kiraro avokoa noho ny […]




