Mois : janvier 2023

Barea Chan : tafatafa nataon’ireo mpamono baolina

Rakoul, mpilalao namono baolina voalohany ho an’ny Barea Chan : “Faly ny tenako satria anisan’ireo mpilalao namono baolina voalohany, tamin’ny fandraisan’anjaran’ny Barea voalohany tamin’ny Chan 2023. Tombony ho anay teo ambony kianja ny fifankatiavana sy ny firaisankina. Tanteraka koa ny nofinay, naharesy izahay. Faly ny tenako mandray anjara amin’ny Chan, efa […]

Kitra – «Chan 2023»: mitarika vonjimaika ny Barea de Madagascar

Ekipa telo sisa miady toerana roa ao amin’ny vondrona “C” misy ny Barea de Madagascar sy i Soudan ary i Ghana. Anton’izany, ny tsy fandraisana anjaran’i Maroc. Nomena isa 3 avy hatrany ireo firenena telo mbola manohy ny fifaninanana. Notinapaky ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF), […]

Herinaratra : 10 taona nitondrana vahaolana

10 taona lasa izay, firenena 10 no nivory tany La Réunion, anisan’izany ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina, niaraka tamin’ireo fikambanana iraisam-pirenena, nanao sonia nifanaiky hanamafy ny fiaraha-miasany, hampitovy fomba fijery mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro sy ny angovo. Fa­namby iraisan’ny Nosy rehetra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny hanatsarana ny famokarana […]

Ranobe : miray feo ny mponina

Any amin’ny 5 km avaratra atsinanan’i Ranobe, ary 8 km atsinanan’Ankilimalinike, samy distrika Toliara II no misy ny toeram-pitrandrahan’ny Base Toliara. Efa hatramin’ny taona 2000 ny fanomanana ity tetikasa ity, ary maro ny asa sosialy efa nomena ny mponina. Nilaza Ra­manoel, fa mampalahelo ny nampihantonana ity orinasa ity. Nitondra fampandrosoana isam-pokontany […]