Mois : janvier 2023

Andro ratsy lasa rivodoza: hiditra an-tanety ao Antalaha rahampitso maraina

Vinavinainy ho tonga “tempête tropicale” ilay andro ratsy rehefa hiditra ny morontsiraka ao Antalaha, rahampitso vao maraina, hoy ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Manodidina ny 70 ka hatramin’ny 80km isan’ora ny herin’ny rivotra hoentiny amin’izay fotoana izay. Omaly, tany amin’ny 1495km ao atsina­nan’i Vohémar no nisy azy […]

VKMM : manamafy kolontsaina ny kabary

Taranja iray ahafahana mampandroso sy mampiroborobo ny kolontsaina malagasy ny kabary. «Betsaka ny tia sy mankafy io taranja io fa vitsy ny mandalina azy», hoy ny mpikabary eo anivon’ny VKMM (Vovonana sy Kia­din’ny Maha-Malagasy), Rako­toarisoa Tsilavina. Ma­ha­faty ny kolontsaina malagasy tanteraka ny habetsahan’ny kolontsaina vahiny sy ny teknolojia mitobaka eto […]

Sekolin’ny fiainana sy sehatra fandalinana mozika : feno 52 taona ny Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy

Mandia ny faha-52 taona nijoroany ankehitriny ny antoko mpihira Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Ita­osy, izay manana mpikambana 35 eo ho eo. Manome lan­ja manokana ny seha-panabeazana maha olona feno (va­tana sy saina ary fanahy). Nomarihin’i Mamisoa, filo­han’ny Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy fa sehatra iray malalaka ahafahana manabe […]

“Fespaco 2023” : voafantina ny sanganasan’i Hary Joël

Tafiditra ao anatin’ny hofidina mandritra ny “Fespaco 2023” andiany faha-28 ny sanganasan’i Hary Joël na Rakotovelo Andriaminosoa Hary Joël. Ny «Fespaco» na «Festival panafricain du cinéma et de la télévision de Oua­ga­dougou» dia fetiben’ny sa­ri­mihetsika isan’ny goavana indrindra aty Afrika ary sangany eran-tany. Isaky ny 2 ta­o­na no hanatanterahana azy […]

“Revy tsy dia fahita firy…”: hanaraka an’i Erick Manana ry Trio Swing sy Ralah’Trio

Mitrandraka tolotra vaovao hatrany. Maro ny tarika natsangany na niarahan’i Erick Manana. Samy manana ny hanitra ho azy raha ny Trio Swing Berlin sy ny Ralah’Trio, izay samy hiaraka an-tsehatra aminy… Tsy lany “pasy” izy raha fikarohana sy fampiarahana talenta… Tarika ivondronana mpanakanto ma­lagasy ny Ralah’Trio, raha toa ka mpanakanto […]