“Tsy izahay no mangataka fivoriana tsy ara-potoana, fa mila laharam-pahamehana maika eto”, hoy ny depiote, Razaiharimalala Harizaka Fiainantsoa, manoloana ny resaka ny mety hisian’ny fangatahan’ny depiote fivoriana tsy ara-potoana. Ny momba ny fanaovan-tsonia, ohatra: misy vola indramintsika na omen’ny mpiara-miombon’antoka. Tsy tapahin’ny filohan’ny Repoblika na Praiminisitra avy hatrany ireny, fa […]
Mois : janvier 2023
Fifidianana filoham-pirenena: mangataka an-dRatsiraka Annick ho kandidà ny Arema
Nifampiarahaba noho ny taona vaovao teny Faravohitra ny eo anivon’ny antoko Arema, ny alahady teo. Voaresaka tamin’izany ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vinan’ny antoko. Vory lanona teny an-toerana avokoa ireo “Comité directeur” sy ny sekretera nasionaly lefitra avy amin’ny faritany enina ary ireo rantsa-mangaikan’ny antoko. Anisan’izany ny tanora […]
Namaky tranombarotra: jiolahy roa tratran’ny polisin’ny SAG
Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisin’ny “Service Anti-gang” (Sag) teny Anosibe, omaly tolakandro ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny kaomandin’ny Sag fa naharay antso avy amin’ny tompona tranombarotra iray eny an-toerana izy ireo milaza fa misy olona maromaro mamaky ny trano fitobian’entany eny amin’ny faritra […]
Ratsy andro…andro ratsy
Misasaka sahady ity ny volana janoary. Volana izay heverina ho sarotra sy tsy mora ialana, indrindra ho an’ny sarababem-bahoaka. Henjakenjana ho an’ny mivelona amin’ ny karama isam-bolana sy ny karama isanandro. Hatramin’ izao tsy mbola misy fofom-bola manimanitra ho an’ny mpiasam-panjakana. Efa mahazatra ihany ny fahatarana fa amin’ ity indray […]
Nolazaina fa mpamosavy : vehivavy naboridana, avy eo novonoina
Nolazaina fa tratra nandihindihy teo am-baravaran’olona niaraka tamin’ny kifafa ny ramatoa iray. Nosamborin’ny mponina izy ka maty niharan’ny fitsaram-bahoaka. Niely tamin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ny renim-pianakaviana iray maty novonoin’ny olona tao tetezana mainty, Tanambao verrerie, ny 8 janoary. Araka ny filazan’ny fokonolona, tra-tehaka nandihy teo ambaravaran’ny fianakaviana iray, anatin’ny tanànan’i Tsararivotra […]




