Mois : janvier 2023

Fambolen-kazo 2023 : hahemotra amin’ny 28 janoary

Andro ratsy ! Nanapa-ke­vitra ny fanjakana fa hahemotra amin’ny asabotsy 28 ja­noary ho avy izao, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, ny taona fambolen-kazo 2023. Antony, vokatry ny fampahafantarana avy amin’ny sampandraharahan’ny mpamantatra ny toetr’andro, fa hisy andro ratsy miforona any amin’ny ranomasimbe Indianina ato ho ato. Hisy fiantraikany any amin’ny ilany […]

Tsy mahandry ny 15 febroary : « Mila harenina ny lalana tena ratsy », hoy ny mpamily fiarabe

Nanao hetsika fanairana ny fanjakana, hijery akaiky ny haratsian-dalana ny mpamily fiarabe mampiasa ny lalam-pirenena, omaly alatsinainy 16 janoary, taorian’ny fe-potoana 15 janoary nomen’izy ireo. Anto­ny, miteraka fahasimbana sy loza mateti-pitranga ny ha­ratsian’ny lalana, nefa toy ny antso an’efitra ihany no natao hatramin’izay, ka tonga amin’izao hetsika izao. Niantso ny […]

Tsy mampiasa akora simika: mahalonaka ny tany ny zezi-pahitra Bokashi

Misy ny tetikasa Filamatra atao eny amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano, tohanan’ny fikambanana Cemes, manohana ny tantsaha, hanatsarana ny fomba fambolena sady mitsinjo ny tontolo iainana. Miara-miombon’antoka amin’izy ireo ara-bola ny japoney. Isan’ny tantsoroka omena ny tantsaha ny fampiasana ny fomba famokarana ampiasana ny akora sy zavamaniry eto an-toerana, hanamboarana […]

Madagascar Mozarteum : hisy « Concert d’orgue » roa

Hiavaka ny hanokafan’ny Madagascar Mozarteum ny taona 2023. Fampisehoana « Concerts d’orgue » indroa miantoana no hotanterahina miaraka amin’i Miravo Rama­rolahy sy Hasina Stéphane (traompetra) ary i By Ramaro­son (saksofona soprano). Ta­fiditra ao anatin’ny andiany faha-135 amin’ny « Concert classique du midi », ilay ho­tontosaina ny talata 24 janoary ao amin’ny Ekar Faravohi­tra izy […]

“Concours d’affiche sensibilisation 2022” : misokatra ho an’ny olona rehetra ny fifidianana

Fantatra nanomboka ny 11 janoary 2023, ny mpandray anjara miisa 10 hofidina ao anatin’ny fifaninanana “Con­cours d’affiche de sensibilisation 2022”, nokarakarain’ny CID na Communication Idea Development. Izy ireo izay voafidin’ny mpitsara tao anatin’ny 253 nandray anjara. Ao amin’ny tambajotra sosialy no handeha ny fifidianana, izay ahafahan’ny olona rehetra mandray anjara. […]