Afaka misento ny mpianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana. Hiroso amin’ny fampianarana ny mpampianatra taorian’ny filan-kevim-pirenena nataon’ny Seces. Nanao filan-kevi-pirenena tany Toamasina ny mpikambana nasionaly ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) manerana ny Nosy ny herinandro lasa teo. Tapaka fa hiverina amin’ny asa fampianarana sy ny fikarohana ara-tsiansa manomboka ny volana febroary […]
Mois : janvier 2023
Covid-19: folo ny tranga vaovao
Folo ny tranga vaovao voamarina tamin’ny fitiliana 331 vita tao anatin’ny herinandron’ny 21-27 janoary lasa teo. Vaovao nampitain’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Dimy ny tranga misy fahasarotana, 38 ny olona mbola marary. Tsy nisy ny aina nafoy vokatry ny valanaretina ho an’ny herinandro farany. Efatra amin’ny tranga vaovao […]
Mvola-2023: hitohy ny fanamboarana kianja
Ankoatra ny efa nahafantarana azy amin’ny tolotra omena ny mpanjifa amin’ny fandefasana sy fangalana vola ary fanavaovana petra-bola, manohy ny hetsika ara-tsosialy sy ara-toe-karena ary ara-panatanjahantena ihany koa ny Mvola. Eo amin’ny lafiny ara-panatanjahantena, mikasa hanangana kianja “multisports” miisa 4 toy ny eny Analamahitsy sy eny Anosizato ny Mvola. Hitohy […]
Badminton : valo mianadahy hiofana any Chine
Efa fantatra avokoa ny anaran’ny mpilalao ao amin’ny taranja badminton, handeha hiatrika fiofanana any Chine. Ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), araka ny fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana. Miisa 8 mianadahy ka 5 lahy sy vavy 3 no hisitraka izany. Miampy mpanazatra iray izy ireo, Rasamiarisena Georges. “ Mason-tsivana tamin’ny fifantenana […]
Ramaroson Jean Michel : « Taonan’ny basikety ny 2023»
Miandry ny taranja basikety amin’ity taona 2023 ity ny fifaninanana iraisam-pirenena miisa 5 be izao. Nitondra fanazavana mahakasika ny fanomanana izany, ny filohan’ny federasiona, Ramaroson Jean Michel. -Gazety Taratra: Mavesatra ho an’ny federasiona malagasy ny basikety ity taona 2023 ity, eo amin’ny lafiny fifaninanana iraisam-pirenena, ahoana ny fiatrehana izany? *Ramaroson […]




