Anisan’ny nodinihana nandritra ny fivoriamben’ny federasiona malagasy ny basikety, ny Asabotsy teo, ny mahakasika ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara. Tanjona ny hitazona ny anaram-boninahitra azo tamin’ny 2019. Fandaharam-potoana iraisan’ny fanatanjahantena rehetra amin’ity taona 2023 ity ny lalaon’ny nosy, hatao ny 23 aogositra hatramin’ny 5 septambra izao. Laharam-pahamehana ho an’ny […]
Mois : janvier 2023
Lalao manasa-dalana: nihazo an’Alger ny Barea
Niala tao Constantine ny Barea de Madagascar, omaly. Namonjy an’i Alger, renivohitr’i Algerie, hanatontosana ny lalao manasa-dalana rahampitso. Nitondra ny delegasiona malagasy, ny fiaramanidin’ny kaompaniam-pitaterana Air Algerie. Tsiahivina fa ao amin’ny kianja Nelson Mandela, kaominina Baraki, ny kianja hanaovana ny lalao. Hifanandrina ny Barea de Madagascar sy ny Lions de […]
Vola valin-kasasarana avy amin’ny CAF: tsy mbola naharay ny tarehim-bola marina ny FMF
Nitondra fanazavana mikasika ny vola valin-kasasarana “primes” omen’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF), ny Barea de Madagascar, omaly, tetsy Isoraka, ny filohan’ny federasiona, Andrianony Victorien sy ireo mpiara-miasa aminy. Nambarany fa tsy mbola naharay taratasy avy amin’ny CAF milaza ny tarehim-bola marina, izy ireo. Na izany aza, notsindriany mazava tsara […]
CHAN 2022: hilalao ny manasa-dalana ny Barea
Nanakoako naneran-tany indray i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Barea. Tafita hiatrika ny manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Voalohany eo amin’ny tantarany izany. Dingana goavana, vokatra nisongadina ary tantara vaovao ny zava-bitan’ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]
“Taom-baovao”: hiavaka ny taona ho an’ny IFM
Notontosaina ny asabotsy 28 jaoary 2023, ny “Taom-baovao” ho an’ny fianakaviamben’ny IFM na Institut Français de Madagascar. Fotoana nifampirariana soa sy nanaovana jery todiky ny taona lasa. Fotoana nampahafantarana koa ny drafitr’asa kolotoralin’ity ivotoerana ity ho an’ny taona 2023. Tonga maro nanome voninahitra ny lanonana ny fianakaviamben’ny IFM isaky ny […]




