Nanakoako manerana ny Nosy, omaly, ny andro ho an’ny manamboninahitra teo anivon’ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena. Andro izay tsy fanaovam-pety fotsiny, fa andro manamarika ny fizakan-tena sy ny fahavononana hanompo hatrany an’ity Madagasikara malalantsika ity. Andro izay hametrahana fanamby goavana ihany koa ho an’ny vata-miaramila tsirairay eo am-panatanterahana ny asany. […]
Mois : janvier 2023
Fankalazana “12 janvier”: manamboninahitra efatra naratran’ny grenady
Manamboninahitra efatra, miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Fianarantsoa no naratra, omaly. Nipoahan’ny grenady mamparenin-tsofina, nentina namoha-mandry, tamin’ny fetin’ny manamboninahitra izy ireo. Saika zava-doza no niseho tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, tamin’ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra, omaly. Toy ny fanao mahazatra, izay niraisan’ny toby miaramila, misy tafika na zandary […]
Ankadimbahoaka : tovolahy tratra saika hangalatra fiara
Tsy tontosa ny teti-dratsin’ilay tovolahy saika hangalatra fiara iray tetsy Ankadimbahoaka. Ny alarobia tokony ho tamin’ny 09 ora alina teo, nandray fiarakaretsaka teny By-pass haterina eny Namontana ilay jiolahy. Teny an-dalana, nilaza ho eny amin’ny Fasan’ny karana izy. Rehefa izay, nilaza ho aterina eny Anosizato indray noho izy tsy nisy […]
Mahamasina : vehivavy tratra nanao sinto-mahery
Tsy ampoizina intsony ireo heverina ho olon-dratsy! Sarona nanao sinto-mahery ny vehivavy iray vao 18 taona, tetsy amin’ny tsenan’i Mahamasina omaly. Nandritra ny fisisifan’ny mpandeha an-tongotra, nanararoatra ity tovovavy ity. Tsikaritry ny polisy manao fanamiana sivily iray teny an-toerana anefa ny fihetsik’io tontakely io. Narahiny akaiky arak’izany ity farany. Poa […]
Sendra nandalo: tovolahy matin’ny herinaratra
Namoy ny ainy ny tovolahy iray vokatry ny herinaratra tamina tariby matanjaka nofaohan’ny kamiao nandalo tao Anketro/Ambalakatsaka, distrikan’Ambatofinandrahana, omaly mitataovovonana. Tsy nanampo na inona na inona, sendra nandalo tamin’ny arabe ity tovolahy ity. Voafaokan’ny kamiaobe iray tampoka anefa ny tariby mitondra herinaratra. Nandray io tariby io ity tovolahy ity ka […]




