Mois : janvier 2023

Jeneraly Serge Gellé: “Tsy kolontsaintsika ny mivaro-janaka”

“Manahirana be ny mieritreritra hoe mivaro-janaka ve? Tsy kolontsaintsika Malagasy izany. Maninona ny olona no miteny an’izany? Rehefa jerena any: marina fa misy ny fahasahiranana”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé, omaly, momba ny renim-pianakaviana mivaro-janaka any Ikongo. Manamarina amin’ny lafiny rehetra aloha ry zareo eo […]

Fiarahabana ny ben’ny Tanàna : hanohana an’Andriantsitohaina Naina hatrany ny TMH

Fanehoana ny soatoavina sy fandalana ny kolontsaina malagasy. Tonga niarahabana sy nirary soa noho ny nahatrarana ny taona 2023 ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vohitra Andriantsito­haina Naina ny avy amin’ny Tanora miandrandra ny hoavy (TMH). Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly, izany lanonana tsotra izany. Nitarika sy nisolo tena ireo mpikambana […]

Depiote Randrianasolo Nicolas : “Tsy mety intsony ny hitsikera fitondrana”

“Efa fito na valo volana dia mametra-pialana ny filohan’ny Repoblika raha mbola hirotsa-kofidina izy”, hoy ny depioten’i Betroka, Randria­na­solo Jean Nicolas, momba ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Noho izany, tsy mety aminy intsony ny hitabataba na hitsikera fitondrana, fa fampahatsiahivana hatrany amin’ny zavatra tenenin’ny fitondram-panjakana no ataony. Maro ny hoe […]

Tetiandrom-pifidianana: mbola handresy lahatra ny governemanta ny Ceni

Mbola baraingo hatreto ny tetiandrom-pifidianana na nivory nandinika izany aza ny eo anivon’ny Ceni. Hifandresy lahatra amin’ny governemanta izy ireo, ato ho ato. “Izay voalazan’ny la­làmpanorenana aloha no ifotorana hatramin’izao. Tsy mivaona amin’izay aloha izahay. Amin’ny 19 novambra ka hatramin’ny 19 desambra 2023 no tokony hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, […]

Filoha Rajoelina Andry : “Hohamafisina ny fanampiana ny Foloalindahy”

Nomarihina, omaly, ny Andron’ny manamboninahitra eo anivon’ny tafika. Nam­baran’ny filoha Rajoelina An­dry tamin’izany, teny Iavo­loha fa mariky ny firaisankina sy ny fiombonam-po ireo ta­nora avy amin’ny faritra ma­nerana ny Nosy eo anivon’ny manamboninahitra. Nanteriny fa hohatevenina sy hamafisina hatrany ny ezaka efa natao. “Vonona hatrany izahay, amin’ ny maha filoha […]