Mois : janvier 2023

« Tamatave Midera »: nanaka-danitra ny fiderana an-kira

«Tsy mbola nisy seho fiderana goavana toa ity teto Toamasina», hoy ny namba­ran’ny mpanentana… mikasika ilay fampisehoana «Tama­tave Midera”, notontosaina ny takarivan’ny alahady teo, ankalamanjana nanoloana ny Hôtel de Ville io. Nanomboka ny hetsika ireo fanentanana isan-karazany, narahin’ny soradihy nataon’ny Union mpandihy Tamatave. Nifan­dimby kosa taorian’izay ireo antoko mpihira avy […]

Fakafaka: Harena ny zanaka !

Manomboka mitsingilaila ankehitriny io fahendrena malagasy io raha atao indray mitopy maso ny rindram-piarahamonina misy ankehitriny. Tsy ny endrika ivelany isehoan’ny fitiavan-janaka no tsy ananan’ny Malagasy intsony fa ilay fametrahana ny zanaka ho harena mihitsy. Harena ve ka hatao tsinontsinona ? Tsy ny fanipatsipazana ireo haingitraingitry ny tanora ho an’ny […]

IFM Analakely: hahazo ny anjarany ny ankizy amin’ny hetsika “Zaza mifety”

Latsa-danja ny hetsika ho an’ny ankizy, indrindra ny lafiny koltoraly eto Madagasikara. Izany indrindra no hisian’izao hetsika izao hanatrarana ny vinan’ny IFM amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina. Hotontosaina ny 25 fe­broary 2023 hatramin’ny 4 marsa 2023 ny “Zaza mifety”. Hetsika karakarain’ny Institut Français de Madagascar na IFM eny Analakely iarahany miasa […]

Jean Nirina Rafanomezantsoa: “Ny politika tsy teoria fa tsy maintsy misy hiankinany”

“Mankasitraka ny kaba­rin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tany Vatomandry aho. Ny fanaovana politika dia tsy teoria fotsiny fa tsy ma­i­ntsy misy hiankinany amin’ny zava-misy ankehitriny. Lehibe ilay fanapahan-kevitra hitodika any amin’ny sosialim-bahoaka”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Niri­na, manoloana ny fahitany ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao ankatoky ny […]

Mampikony : nahazo fanampiana ireo traboina

Maherin’ny 4 000 ireo traboina vokatry ny fandalovan’ ny andro ratsy Cheneso tao Mampikony. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy tao an-toerana, nisolo tena ny fitondram-panjakana, ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nomena ireo traboina tamin’izany ny vary, voamaina, “seau”, lovia, sotro, […]