Mois : janvier 2023

Holafitry ny vadintany : sahirana amin’ny fanatanterahana didy ny vadintany

“Sarotra ho an’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty raha iny taona 2022 iny satria sarotra ny fanatanterahana ny didim-pitsarana”, hoy ny filohan’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty, ny Me Rakotonirina Alain. Nohamafisiny fa olana ara-drafitra no mila jerena satria raha ny za­vatra tsikaritra, lasa mihaino ny […]

Fahatapahan’ny fampianarana : maro ireo sekoly manarina ny fotoana very

Vokatry ny andro ratsy nisesy nandritra ny roa herinandro teo, izay niteraka fahatapahan’ny fianarana teto an-dRenivohitra, maromaro ireo sekoly nanapa-kevitra ny hanenjika ny fahabangana ka hamerina an-tsekoly ny mpianatra ny alarobia hariva sy ny asabotsy amin’ity herinandro ity. Omaly, nampahafantatra ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ireo sekoly ireo ny […]

Fandaharam-pianarana vaovao: nanaovana andrana teny amin’ny sekoly 192

Nanomboka tamin’ny taom-pianarana 2021-2022, nampiditra fandaharam-pianarana vaovao ho an’ny kilasy T1, T2, T4, T5, T7, ary T8 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tafiditra anatin’ny tetikasa fanohanana ny fampianarana ambaratonga fototra (PAEB),izany. Nampiha­rina tamin’ny sekolim-panjakana sy sekoly miahy tena 192 ny fandaharam-pianarana ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto amintsika. Tsy nisy mihitsy ny […]

Lycée Fenoarivo Atsinanana: mpianatra telo vavy safotra tany an-dakilasy

Mahalasa saina hatrany ny trangana fahatoranana mpianatra an-tsekoly, mateti-piseho saika amin’ny toeram-pianarana maro eto amin’ny Nosy. Ny herinandro lasa teo, mpianatra tao amin’ny Lycée Fenoarivo Atsi­nanana no safotra na koa nitrangana fahatoranana sy mihinjitrindritra nandritra ny fotoam-pianarana tao an-dakilasy. Tamin’ny 8 ora sy 50 minitra maraina no nihetsehan’ny aretina ho […]