Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray namaky “karaoké” tao Analakapaina, fokontany Alatsinainy Ankitsikitsika, Kaominina Antsahalava, Distrikan’Antanifotsy, ny 25 janoary teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy jiolahy sady mpamatsy ody gasy ny namany nanao fanafihana tao amin’io fokontany io. Raikitra ny velam-pandrika. Tra-tehaka tokoa ny entana halatra maromaro toy […]
Mois : janvier 2023
Ambohimangakely: jiolahy roa nangalatra fantsona voasambotra
Jiolahy 2 voasambotry ny zandary mpanao fisafoana amin’ny alina, ny asabotsy tamin’ny 3 ora maraina. Samy mipetraka eny Fasan’ny Karana Ankadimbahoaka izy ireo. Tratra nitondra fantsona plastika maromaro niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana (motsakoa) sy “pince coupante”. Rehefa natao ny famotorana savaranonando, nilaza izy roa lahy fa nalainy tamina kamiaobe nijanona tamin’ny […]
Tselatra
Lehilahy miisa roa no nahatrarana vola sandoka mitentina 1.060.000Ar tao Manakara. Nisy mpivarotra nitaraina fa naharay izany tao an-toerana ka nisokatra ny fanadihadiana. Voasambotra tamin’izay izy roa lahy, mbola nahitana vola sandoka marobe teny aminy. Nilaza kosa izy ireo fa azony tamina varotra omby tao Ihosy ny vola.
Ankadimbahoaka : mpangalatra nifanenjehan’ny fokonolona
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy (CSP5), omaly maraina teny akaikin’ny rond-point Ankadimbahoaka ny jiolahy iray. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra kiraro sy poketra teo amin’ny mpivarotra friperie izy ka nifanenjehan’ny fokonolona niaraka tamin’ny polisy. Mitentina 2 hetsy Ar ny vidin’ ireo entana nangalariny ireo, araka ny […]
Fanafihan-dahalo : avotry ny polisy ireo takalon’aina
Votsotra teny am-pelatanan’ireo dahalo mpaka an-keriny ireo tovovavy roa nataony takalon’aina nandritra ny fanafihana tao Besalampy, ny faran’ny herinandro teo. Tafaverina nandritra izay koa ireo omby 50 isa voaroba. Nanafika tanàna iray tao an-toerana, ny andiana malaso. Lasa tamin’izay ireo omby marobe. Tsy vitan’ny nandroba, mbola nitondra takalon’aina roa vavy […]




