Manaraka akaiky ! Naneho ny heviny sy nanaitra, manoloana ny raharaham-pirenena eto amintsika ny minisitra Frantsay misahana an’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, ny senatera Repoblikanina Étienne Blanc. Hentitra ny nambarany tamin’ny taratasy, nataony ny 26 janoary teo. “Miha mampanahy hatrany ny fitoniana politika any Madagasikara, taorian’ ny fiampangana sy nampidirana […]
Mois : janvier 2023
Hajo Andrianainarivelo: “Aoka ho sahy hijoro ka hiteny ny tsy mety”
Namboly hazo teny Alakamisy, Ambohidratrimo ny antoko Malagasy miara-miainga, ny asabotsy teo. Lahatenin’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo ny resaka politika sy ny raharaha anatin’ny antoko. Nanentanana ny tsirairay mba hanaraka hatrany ny fizotry ny raharaham-pirenena, ny filohann’y antoko MMM. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomanana ny fifidianana. “Aoka isika ho sahy […]
Antsirabe II: raim-pianakaviana hita faty tapa-doha
Razana tsy nisy loha intsony no hitan’ny mpandalo iray tao amin’ny fokontany Soanierana, kaominina ambanivohitra Antanambao, distrika Antsirabe II, omaly vao maraina. Sendra nandalo, tsikaritry ny mpandalo iray ny fisian’ny vatana mitsirara tamin’ny tany. Faty efa tsy nisy loha intsony anefa izany. Niantso ireo manodidina avy hatrany ilay nahita ny […]
Vahoaka tompon’ny teny farany
Voin-kava-mahatratra! Efa mahazatra sy saika mandeha ho azy izany amin’ny voina lehibe manjo sy iainan’ny firenena toy izao: an’alina ny traboina, maro ny voly tondraky ny rano… Efa saika mila ho isan-taona ny toy izany? Eo koa ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere any atsimo. Tsy mahafa-bela? Na mahazatra… Saingy […]
Filoha Rajoelina Andry : ” Ny sosialim-bahoaka aloha”
Ho laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny fijerena ny sosialim-bahoaka amin’ity taona ity. Tsy maintsy vitaina kosa anefa ny foto-drafitra efa natomboka. Ireo tetikasa vaovao no haato. Mahatsapa ny filan’ny vahoaka malagasy sy ny asa tokony ho vaindohan-draharaha mifanaraka amin’izany ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Nitarika ny fanokafany tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo […]




