Tao anatin’ny folo andro nanombohan’ny taona, nitrangana vonoan’olona roa sahady tao amin’ ny tanànan’i Toamasina. Misy amin’ireo olona sasany maty an-drano sy vokatry ny fisotroan-toaka… Hatramin’ny fiatombohan’ny taona, olona roa maty nisy namono tao Toamasina. Tovovavy hita faty tao Ambalamanasy ny iray tamin’izy ireo. Nilaza hitory noho io nahafaty ny […]
Mois : janvier 2023
Hala-jaza- Toliara: olona efatra hadihadian’ny polisy
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha hala-jaza tao amina klinika iray ao Tanambao Toliara. Ankehitriny, miisa efatra ireo voasambotra sy hanaovan’ny polisim-pirenena famotorana. Isan’izany ilay vehivavy mpampivelona iray, renim-pianakaviana mpandraharaha iray sy ireo mpiasa roa tao amin’ilay klinika. Vesatra hanenjehana ilay vehivavy voalaza ho tompon’antoka tamin’izany ny fisandohana andraikitra. […]
Aza avadika ny rasa
Mangotrakotraka ny raharaha politika, mandra-pivoakan’ny mpikambana vaovao amin’ny governemanta. Mahazo vahana mifanaraka amin’izay ny olam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa. Taiza teto Madagasikara no misy izany hoe mivaro-janaka eny amoron-dalana, raha tsy vao izao. Ny hanamarina na handiso ny vaovao aloha hatreto sarotra ihany, ho an’ny mpanao gazety, izay tsy afaka midina […]
Fanovana governemanta: mafotaka ny ady varotra
Efa mandeha ny fivorivoriana samihafa ataon’ireo depiote sy ny eny anivon’ny etamazaoro politika. Miely ny feo fa hametra-pialana tsy ho ela ny governemanta Ntsay Christian. Anatin’ny ady varotra tanteraka ny fizaran-toerana. Tsy azo ihodivirana intsony, efa tsy ho ela! Fantatra tamin’ny loharanom-baovao samihafa fa nahitana fivoriana teny amin’ny “Espace” iray […]
Tselatra
Fiara voalaza fa an’ny manamboninahitra iray no nandona ka nahafaty lehilahy iray teny amin’ny lalan’ny Rocade Iarivo afakomaly alina. Noho ny fanamboarana teny an-toerana, nizotra tamin’ny lalan-tokana ireo fiara sy moto mpivezivezy araky ny nambaran’ilay tovolahy iray naman’io namoy ny ainy io. Voafaokan’ny fiara nentin’io manamboninahitra io arak’izany izy roalahy […]




