Araka ny tatitry ny Firenena mikambana, ny taona 2021, misy zaza na tanora iray maty isaky ny 5 segondra maneran-tany. Eto Madagasikara, nisy fivoarana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zazamenavava ary ny kilonga madinika tao anatin’ny 10 taona farany, araka io tatitra io ihany. 14% ny tahan’ny fahatsarana teo anelanelan’ny […]
Mois : janvier 2023
CUA- Fitantanana tsena : tsapa ny ezaky ny ben’ny Tanàna
Niarahaba nahatratra ny taona sy nirary soa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, tetsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina, ny solontenan’ny mpivarotra sy ny mponina, omaly. Nanolotra fanomezana ho an’ny ben’ny Tanàna izy ireo nandritra izany. Tonga teny an-toerana avokoa ny fikambanan’ny mpivarotra eto an-drenivohitra sy ny fikambanan’ny mponina ao anatin’ny […]
Haintany sy fahamaizana : nanohana tokantrano 42 532 ny BNGRC
“Nandritra ny taona 2022, nahatratra 56 ny trangana fahamaizana teto Madagasikara ary ny 80% amin’ny fahavoazana dia vokatry ny tsy firaharahana avokoa ka tokony ho mailo ny rehetra.”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Olivier Elack. Vao tamin’ity herinandro ity, nisy fahamaizana roa niseho tao amin’ ny faritra […]
Tetikasa «Haraton’Aina» : tokantrano 150.000 nisitraka ny Vatsin’Ankohonana
Anisan’ny nisongadina tao anatin’ny dimy taonan’ny tetikasa Vatsin’Ankohonana anatin’ny fandaharasana « Haraton’Aina » ny fisitrahan’ny fianakaviana 150.000 tohana mandritra ny telo taona misesy. Nanao tombana momba ny tetikasa «Haraton’ Aina», fiahiana ara-tsosialy ny minisiteran’ny Mponina, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, omaly, tetsy Ankorondrano. Nisongadina tamin’izany fa nahatratra 150.000 ireo fianakaviana tena latsaka anaty fahasahiranana […]
CNIDH : “Tsy voamarina ny fivarotana zaza any Ikongo”
Nanao fanambarana, manoloana ny fiparitahan’ny resaka fivarotan-jaza ao amin’ny distrikan’Ikongo ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon’olombelona (CNIDH), omaly. Nanatanteraka fanangonam-baovao sy fanamarinana teo anivon’ireo sampandraharaham-panjakana, olom-boafidy sy firaisamonim-pirenena any an-toerana izy ireo. “Tsy voamarina hatreto ny fisian’ny tranga fivarotan-jaza any an-toerana”, hoy ny CINDH. Nambaran’izy ireo fa […]




