Mois : janvier 2023

“Tamatave Midera”: hiray sehatra ry Meva Gospel, TGC ary ry Jaw’s Band

“Aleo atomboka amin’ny fiderana an’Andriamanitra ny taona vaovao”, hoy ny fanentanana. Tarika mpanao gospel malaza telo no hampiaraka ny talentany mba haha goavana ny “Tamatave Midera”… «Midira eo amin’ ny vavahadiny amin’ny fisaorana, ary ao an –kianjany amin’ny fiderana”. Andian-teny ao amin’ny Soratra Ma­sina, nosafidiana manokana hitondrana ny “Tamatave Midera” […]

Tenisy – « Dubai 2023»: hifaninana i Rafael Nadal

Taorian’izay 15 taona tsy nahitan’ny mpankafy tenisy any Dubai an’i Rafael Nadal, mpilalao espaniola izay, hiverina hiatrika fifaninanana « Dubai Duty Free Tennis Cham­pionships » indray izy. Izany dia hotanterahina ny 27 febroary hatramin’ny 5 marsa. Araka ny vaovao, tamin’ny taona 2008 ny lehilahy no nanao ity fifaninanana ity farany. Ankoatra izay, […]

Fiofanana mankany Chine : mamofompofona risoriso ny fifantenana ireo atleta

Afaka iray volana raha tsy misy ny fiovana, no hanainga eto Madagasikara hihazo an’i Chine ireo atleta malagasy. Hiatrika fiofanana ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasika­ra. Araka ny fanadihadiana natao, mitranga sahady ny antsojay isan-karazany, amin’ny fifantenana ireo atleta. Anisan’ireo mahatonga ny disadisa, ny tsy fahalalana […]

Amboara rezionaly U-19 : misy ligy mitaraina noho ny hala-taona

Nifarana, omaly, ny fifaninanam-paritra, taranja baolina kitra ho an’ny sokajy U-19. Fifaninanam-pirenena izay notanterahina tany amin’ireo toerana fito, toa an’Antalaha, Tsiroanomandidy, Toamasina, Taolagnaro, Ihosy, Antsirabe, Manakara. Araka izany, nisy ireo ligy nitaraina teny anivon’ny mpikarakara, amin’ny resaka hala- taona. Marihina fa tany am-piandohana dia efa nametraka ny fepetra ny eo […]

Kitra – “Chan 2023”: hivantana amin’ny TVM ireo lalao rehetra

Hifantoka any Algérie avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra manomboka ny zoma 13 janoary izao, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. Hiaina izany mivantana ny Malagasy amin’ny alalan’ny TVM. Hita tao amin’ny pejin’ny tambajotran-tseraseran’ny fahitalavi-pirenena (TVM), omaly alatsinainy fa handeha mivantana amin’io […]