Mois : janvier 2023

Volana janoary : tsy ampy ho an’ny fambolem-bary ny orana

Vinavinaina hanatombo kokoa noho ny tokony ho izy ny rotsak’orana ho azo mandritra ity volana janoary ity ho an’ny faritra Diana, Sava (tapany Avaratra), Sofia (tapany Andrefana), Boeny ary Melaky. Araka ny nambaran’ny gazety isam-bolana mom­ba ny toetr’andro sy ny fambolena nivoaka ny fiando­han’ny herinandro teo, novokarin’ny sampanasa misahana ny […]

Ialana amin’ny tokantrano imaso: mampanao mariazy faobe ny miaramila

Nisora-panambadiana, nandritra ny mariazy faobe natao teny Ivato, ny miaramila 24 tao amin’ny PARA, omaly. Tanjona ny mba hialana amin’ny tokantrano imaso sy fidirana amin’ny ara-dalàna . Notanterahina teny amin’ny Toby Jene­raly Ismael Mouni­bou, 1er Bataillon Para­chutiste, Ivato omaly, ny fisoratam-panambadiana faobe ho an’ireo miaramila tsy mbola nahavita izany tao […]

Madagaslam : miverina ny hetsika « Slam »

Hotanterahina ny asabotsy 7 janoary 2023 eny amin’ny «Institut Français de Mada­gascar» na IFM Analakely ny « Scène Slam » karakarain’ny fikambanana Madagaslam. Hetsika voalohany amin’ity taona 2023 ity ary santatry ny hetsika rehetra ho tanterahina ao anatin’ny taona. Hetsika natao hoan’ireo te haneho ny talentany sy ny fahaizany izy io. Misokatra […]

Mirado sy Reko Band: hisehatra eny amin’ny Alliance Française Andavamamba

Hotanterahina eny amin’ny “Alliance Fran­çaise Andavamamba” ny asabotsy 7 janoary 2023, amin’ny 2 ora tolakandro ny fampisehoana ataon’i Mirado sy ny Reko Band. Efa lany tanteraka ny tapakila fidirana. Tsinjo sahady ny ho fahombiazan’ny hetsika. Vonona ny mpanakanto, mpandray anjara, hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy marobe. “Seho mendrika […]