Lany faninenina hitantana indray ny Federasiona malagasin’ny bisikileta (FMC), mandritra ny efa-taona, i Relaha Jean Claude. Izany dia fantatra taorian’ny fifidianana natao omaly, teny anivon’ny biraon’ny komity olympika malagasy (Com) Ivandry. Tonga nanatrika ny lanonam-pifidianana tao avokoa ireo ligy fito, toy ny ligin’i Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, Menabe, […]
Mois : janvier 2023
Kitra: hitsapa an’i Niger ny Barea
Hitohy, amin’ny alatsiniany 9 janoary ho avy izao, ny lalao fitsapana ataon’ny Barea de Madagascar, mialoha ny hiatrehany ny “Chan 2023”, tanterahina any Alzeria, ny 13 janoary, ho avy izao. Hifanandrina amin’ny Menas an’i Niger ry zalahy, amin’ity fihaonana faharoa ity. Hotanterahina ao amin’ny kianja Stade Practice Tabarka, ao Tonizia […]
Kitra – Amboara rezionaly U19 : fandresena avy hatrany ny an’ny ekipan’Analamanga
Notanterahina, omaly, ny lanonam-panokafana ny fifaninanam-paritra, taranja baolina kitra sokajy U19. Nahomby sahady ny ekipan’Analamanga, izay nilalao tao Antsirabe. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fiadiana ny amboaram-paritra taranja baolina kitra ho an’ireo tanora latsaky ny 19 taona. Lanonana izay natao tamin’ny kianja valo, toa ny kianjan’Antalaha, Port – Berger, […]
Jly Rakotonirina Léon Richard : “Manana ny maha izy azy ny diplaomasia malagasy”
“Ny ezaka voalohany ataontsika dia ny fametrahana ny atao hoe diplaomasia malagasy hamiratra kokoa. Mba fantatra bebe kokoa manerana an’izao tontolo izao i Madagasikara, ary ny fandraisan’i Madagasikara andraikitra koa manoloana ny fiarahamonina iraisam-pirenena”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana vonjimaika, ny jeneraly Rakotonirina Léon Richard, teny Anosy, afakomaly, […]
KMF/Cnoe: “Mila hazavain’ny governemanta sy ny Ceni ny tetibolan’ny fifidianana”
Adihevitra amin’izao ny amin’ny tetibola hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity. Ampy sa tsia? “Mila hazavain’ny governemanta sy ny Ceni ny tetibolan’ny fifidianana”, hoy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena. “Mora ny miteny hoe atao avo telo na efatra heny ny tetibolan’ny fifidianana. Tsy any ny olana. Tokony hohazavain’ny governemanta ny […]




