Nanambara ny eo anivon’ny Ceni fa eo anelanelan’ny 19 novambra sy ny 19 desambra no hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Araka ny lalàmpanorenana, iray volana mialoha ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, izay raha farafahelany ary roa volana mialoha raha farahaingany, raha tapitra amin’ny 19 janoary 2024 izay fe-potoam-piasana izay. […]
Mois : janvier 2023
Raharaha Anja : mitohy ny fanadihadiana, efa mihasalama ny reniny
Taorin’ny hatairana saika niteraka rarin-tsaina ho an’ilay renin’ny tovovavy kely niasa ka namoy ny ainy teto an-dRenivohitra ny 02 janoary teo. Efa mihatsara ny fahasalaman’ io ramatoa io amin’izao fotoana. Sahirana ara-pivelomana, nalefan’ny reniny avy any Miarinarivo hiasa tamin’ny olona teto Antananarivo io tovovavy 15 taona, atao hoe Anja io. […]
Manezaka kely
Anatin’ny maitsoahitra tanteraka isika. Tena mampikolay ny vidim-piainana, indrindra ilay foto-tsakafo mampiavaka sy mampalaza antsika maneran-tany dia ny vary. Nikaikaika ny mponina, tsy ny an-tanàn-dehibe ihany, fa hatrany ambany ravinahitra rehetra any. Tsy mampino hoe, any ambanivohitra, heverina fa misy ny maro an’isa, amin’ilay 80 % tantsaha no tena voa […]
Toamasina : lehilahy valo matin’ny tsy fahampian-tsakafo sy alikaola
Mirongatra izaitsizy ny fahafatesana an-dalambe tao anatin’ny roa herinandro tao Toamasina. Namoy ny ainy noho ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny fisotroana alikaola diso tafahoatra avokoa ireo olona ireo. Tao anatin’ny tapa-bolana, izany hoe, nanomboka ny 22 desambra hatramin’ny 5 janoary teo, olona valo namoy ny ainy ka hita faty […]
Vao manomboka ny taona… : sesilany ny vaky trano sy ny fanafihana ao Toamasina
Tsy misy fitsaharany ! Vao manomboka ny taona, sesilany sahady ny vaky trano sy ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ao Toamasina. Iray amin’izany ny zava-niseho teo amin’ny rond point-maison de retraite, Tanamakoa, omaly tamin’ny 9 ora sy 45 mn. Nirefotra ny basy, voaroban’ny jiolahy roa, samy nitondra basy poleta , […]




