Mois : janvier 2023

EGM –Conservatoire de musique: hiavaka ny hetsika ho an’ny mpankafy gitara

Hetsika lehibe eo amin’ ny tontolon’ny fitendrena gitara no karakarain’ny EGM-Conservatoire de mu­sique. «Masterclass Inter­national de Guitare» no anarana entin’ity hetsika ity. Handritra ny efatra andro no hanatanterahana azy, hanomboka ny asabotsy 7 janoary 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny alarobia 11 janoary 2023. Isaky ny karazany avy ny […]

Mbola adihevitra lehibe: very hasina noho ny ota fady nataon’ny tanora sy ny vehivavy ve ny kabary ?

Sehatra iray anisan’ny miroborobo fatratra ny kabary. Manamarina izany ny fitomboan’isan’ireo lazaina fa mpikabary. Fahiny, vitsy ihany ireo tafian-kaja sy voninahitra amin’io anaran’io. Saika ireo lehilahy anti-panahy sy to teny eo anivon’ny fiarahamonina avokoa izy ireny. Taona maromaro taty aoriana, nipoitra tsikelikely ny tanora sy ny vehivavy ambara fa mpikabary. […]

Depiote Rabehaja Jean : « Karohina ny marimaritra iraisana »

Mitovy hevitra amin’ny ben’ny Tanàna Toliara I, ny solombavambahoaka voafidy tao Toliara I, Rabehaja Jean. Nohamafisiny fa miatrika ny fifindra-monina faobe vokatry ny fiovan’ny toetr’andro i Toliara, izay saika avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny ankamaroany. « Tsy voararan’ny Lalampanorena­na ny fifezivezen’ny olona sy ny fananana, raha tsy misy ny […]

Fiaraha-miasa : antsoina hampiasa vola ny mpandraharaha tiorka

Noraisin’ny minisitry ny Indostria, ny varotra, sy fanjifana, Razafindravahy Edgard, omaly, teny Ambohidahy, ny Ambasadaoro tiorka, Ishak Ebrar Çubukçu. Dinika nifanaovana mikasika ny fifanakalozana ara-barotra sy fiaraha-miasa indostrialy. Namba­ran’ny minisitra ireo vokatra tena ahafantarana an’i Mada­gasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, dia ny lavanila, jirofo, kakao, letisia. Nahoana raha manjifa mivantana […]