Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny HVM any Frantsa, omaly. Niantso ny rehetra te hanamafy ny antoko izy ireo tamin’izany. “Ndao hiaraka aminay. Midira ho mpikambana raha manahy ny amin’ny hoavinao, ny hoavin’i Madagasikara, indrindra fa ny hoavin’ny taranaka ianao”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny fanambarana fa very hevitra manoloana ireo toe-javatra […]
Mois : janvier 2023
Bureau des doléances: 9 240 ny fitarainana voaray
“Amin’ny ankapobeny, ny ady tany sy ny olana goavana amin’ny karaman’ny mpampianatra Fram tsy azo, ny vola fisotroan-dronono diso kajy, ny faktiora tsy voaloa amin’ny sehatra sasany… Izay aloha no tena ihazakazahanay, satria mahakasika ny fiainan’ny olona avy hatrany. 9 240 eo ho eo ny antontan-taratasy azonay. Any amin’ny 5 000 […]
Rajaonson Hugues : “Tsy afa-miala amin’ny fitakian’ ny Unicef ny fanjakana”
Nanaitra ny maro ny fitakian’ny Unicef ny hamerenana ny vola fanampiana izay nanaovana fandaniana tsy nifanarahana. Tsy afa-miala amin’izany ny fanjakana, raha ny fijerin’ny mpahaihary Rajaonson Hugues. “Tsy afa-miala ny fanjakana amin’ izao, na hoe ny mpitondra teo aloha aza no nampiasa azy. Satria rehefa manao famindram-pahefana dia tsy maintsy […]
Papa Benoit XVI : nampiray izao tontolo izao ny fandevenana
Notontosaina, omaly maraina, ny sorona masina fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin’ny Papa émérite Benoit XVI. Nitarika ny lamesa tao amin’ ny kianjan’i Md Piera ao Vatican, ny Papa François. Nisy ny kardinaly nanampy azy nitarika ny lamesa, noho ny tsy fahasalamana mahazo azy, ka tsy ahafahany mijoro maharitra. […]
Mandeha tsy moramora
Miroso tsy moramora ny fanovana. Fanovana inona moa fa ny resaka governemanta. Efa mandeha ny fifanatonana isan-karazany etsy sy eroa. Manomboka ny dokambarotra ireo minisitra amperinasa ataon’ny mpikaraman’ady eny amin’ny tambajotran-tserasera. Mifanindran-dalana amin’izay koa ny fanaratsiana sy ny fandrimpandrika madinidinika. Samy manao izay ho afany na ny mpanohana na ny […]




