Fantatra fa nametra-pialana, tsy ho governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BCM) intsony, Rabarijohn Henri. Voatendry handimby azy Andrianarivelo Aivo Handriatiana, izay navoakan’ny filankevitry ny minisitra, omaly, ny fanendrena azy. Tsy fantatra mazava ny anton’izao fametraham-pialany izao, fa raha ny zava-nitranga faramparany tamin’ iny taona 2022 iny, teo mikasika ny fandoavana ny […]
Mois : janvier 2023
Nosy i Madagasikara : mbola maivana ny fitaterana an-dranomasina
Mila hamafisina sy hatsaraina ny fitaterana an-dranomasina ireo entam-barotra manerana ny Nosy. Ny tanjona dia ny hampihena ny saram-pitaterana sy hanatsarana ny famatsiana. Hatramin’izao, mbola ampahany vitsy kely amin’ny Malagasy no mahita tombony amin’ny fitaterana an-dranomasina, nefa Nosy i Madagasikara. Ary tsy voafaritra mialoha ny ora eo amin’ny fitaterana sy […]
Chine : 2 tapitrisa isan’andro no voan’ny Covid-19
12 ny firenena mitaky ny hanaovan’ny olona rehetra avy any Chine fitilana PCR hanamarinana ny fahasalamany rehefa hiditra ao aminy satria mirongatra indray ny Covid-19 any Chine amin’ izao fotoana izao. Iray amin’ ireo firenena ireo i Frantsa izay nanambara tamin’ny alalan’ny praiminisitra frantsay, Elisabeth Borne, fa andraikitry ny fanjakana […]
Rocade Iarivo : ho tapaka mandritra ny iray volana ny ampahan-dalana
Namoaka filazana ny minisiteran’ny Asa vaventy fa hisy ny fahatapahan-dalana eny amin’ny Rocade Iarivo mandritra ny iray volana (9 janoary ka hatramin’ny 5 febroary), noho ny fanatsarana sy fikojakojana ny fotodrafitrasa. Ny 9 janoary hatramin’ny 17 janoary dia ho tapaka ny lalana ankavanana “Rond point RP1” sy ny Rond point […]
Kaominina Ampanotokana : efa salama ireo noahiana ho voan’ny pesta
Tapitra ny 30 desambra teo ny fihibohana natao tamin’ireo mponina tao amin’ny fokontany Androhibe, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo. Efa afaka mifamezivezy ny mponina satria voafehy ny aretina izay nampiahiahy toy ny trangana pesta ka nahafaty olona dimy tao an-toerana. Nisy tamin’ireo mpivady… Afaka misokatra, araka izany, ny sekoly amin’ny fidiran’ny mpianatra […]




