Tsy manakana ny fanohizana ny fanatanterahana ny vaksiny hafa rehetra tokony hositrahin’ny zaza ny tsy mbola fisian’ny fitaovam-panindromana eny amin’ny CSB. “Efa ho avy tsy ho ela ny fitaovam-panindromana ilaina amin’ny fanaovana ny vaksiny BCG tokony hataon’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny iray volana ahaterahany. Misy sy ampy ny tahirim-baksiny […]
Mois : janvier 2023
IFM Analakely: misokatra ho an’ny rehetra ny seho “Slam”
Hotanterahina ny asabotsy 7 janoary 2022, eny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely ny “Slam scène ouverte”, karakarain’ny fikambanana Madagaslam. Hetsika natao ho an’ izay te hampiseho ny talentany eo amin’ny tontolon’ny “Slam”. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra amin’io fotoana io. Tanjona ao anatin’izao ny hanatrarana ny […]
Fitendrena gitara : hizara ny fahaizany amin’ny Malagasy i Flamenca Arnito
Hotanterahina ny asabotsy 9 janoary 2023, ary tsy hifarana raha tsy ny alarobia 11 janoary 2023 ny “Masterclass International de Guitare”, karakarain’ny “EGM-Conservatoire de Musique”. Hetsika fanararaotra ho an’ny mpiangaly sy mpankafy gitara Malagasy, indrindra ny mpianatra eo anivon’ity sekoly fampianarana mozika ity. Ho avy amin’io hetsika io ihany koa […]
Fiarovana ny ala sy kolontsaina : hisokatra ny hetsika « Feon’Ala »
Tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana sy fampivelarana ny kolontsaina sahanin’ny La Teinturerie, hosokafana ny 11 janoary izao, ao amin’ny Isart Ampasanimalo ny hetsika «Feon’Ala». Fifarimbonana mpanakanto misahana taranjan-javakanto samihafa no haneho ny maha sarobidy ny ala sy ny akon’ny fisiany eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. I Alexia Webster hisahana ny saripika, i […]
Fanafanana fety aman-danonana: raha tsy namorona ny teo aloha, sahirana ny ankehitriny
Efa zary raikitra ao anatin’ny fiainam-piarahamonina malagasy ny manao « fety » rehefa mandalo ireo vanim-potoana heverina fa lehibe. Matetika, misy hatrany ny mpihira na tarika manafana azy ireny. Ny tena zava-misy marina… Ao anatin’ny ora maromaro, mandihy, mitotorebika, mitsinjaka, mihira, sns, satria misy ny mpihira manafana ny efitrano. Isaky […]




