Mois : janvier 2023

Fadintseranana malagasy: 4240 miliara Ar ny hetra nampidirina tamin’ny 2022

Nankalazaina tany Antsirabe ny 26 janoary 2023 teo ny Andro eran-tany ho an’ny fadintseranana. Nankalaza izany koa ny tany amin’ny faritra rehetra misy fadintseranana eto Madagasikara. Niompana tamin’ny lohahevitra fanohanana ny tanora ny fotoana, natrehan’ny mpianatra maro sy sokajin’olona samihafa. Lohahevitra naroson’ny Fiombonamben’ny fadintseranana eran-tany (OMD) ny hoe  « Fano­hanana ireo […]

Fivoahana any ivelany : miato ny fanamboarana pasipaoro

Niteraka resa-be teny anivon’ny tambajotra sosialy sy ny fiarahamonina ny filazana nataon’ny polisim-pirenena, avy amin’ny sampan-draha­raha pasipaoro, omaly. Nam­barany fa ireo olona marary mila mitsabo tena any ivelany sy ireo mpamita iraka voa­porofo ara-taratasy ihany no afaka mangataka pasipaoro. Mandritra ny fotoana voafetra ihany anefa izany ary hiverina amin’ny laoniny […]

Kitra – «Chan 2022»: efa mahazo 1 840 000 000 Ar ny Barea

Navoakan’ny kaonfederasiona afrikaninan’ny baolina kitra (CAF), ny vola homena ireo ekipa miatrika ny “Chan Al­gerie 2022”. Mitentina 400.000 Dolara na 1.840.000.000 Ar hatreto ny vola azon’ny Barea de Madagascar, araka ny vaovao hita tao anaty tamba­jotran-tserasera, omaly. Hi­tombo 500.000 Dolara na 2.300.000.000 Ar indray izany raha tafakatra amin’ny dingan’ny manasa-dalana […]

Fitandroana ny fandriampahalemana: tafapetraka ny ivontoerana fandrindrana ny hetsika ataon’ny Tafika

Ho fanakaikezana hatrany ny vahoaka sy ho fitandroana ny fandriampahalemana, tafape­traka ny ivontoerana fandrindrana ny hetsika ataon’ny Tafika eny an-kianja… Notokanan’ny Praimi­ni­sitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Chris­tian sy ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena (MDN) sady minisitry ny Raharaham- bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, omaly ny ivontoerana fandrindrana ny hetsik’ireo Tafika […]