Stenny, mpanakanto malagasy mivoy ny « Rock fiderana ». Anisan’ireo nanatrika ny fivoriamben’ny mpanakanto ny talata lasa teo izy. Nandritra izany no nanontaniana ny tohin’ny lalan’i Stenny eo amin’ny mozika amin’izao fotoana izao. « Hisy vaovao maro hozaraiko amintsika mpankafy amin’ity taona 2023 ity. Hihaona matetika isika ary ho henonareo tsikelikely ny hira […]
Mois : janvier 2023
Fampianarana mozika: mitohy ny ezaka ho an’ny ANAC Analamanga
Tanjona ny fampiroborobona sy fanapariahana ny zavakanto sy ny kolontsaina, indrindra ny avy eto Madagasikara. Talenta vaovao novolavolain’ny ivo-toerana indray ny haneho ny talentany ao anatin’ity fampisehoana ity. Tanterahina anio asabotsy 28 janoary 2023 manomboka amin’ny 1 ora tolak’andro ny fampisehoana “Anao ny sehatra”, kaonseritra tanterahin’ny mpianatra avy eo anivon’ny […]
Jery taratra…
Mifamahofaho ny voina sy ny vina Namela takaitra amin’ny faritra maro ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, indrindra ny ora-mijojo nentiny: ampolony ny olona namoy ny ainy sy tsy hita popoka, analiny ny traboina… Faritra maro koa no safotry ny rano, toy ny tanànan’i Morondava, Maroantsetra, Mahajanga… Eo koa ny voly safotry […]
Haka fanapahan-kevitra ny filoha Rajoelina: hiova afaka andro vitsy ny governemanta
Antomotra tahaka ny oron-tsaka ? Efa eto an-toerana ary hihazo ny fambolen-kazo any Ilaka Est, ny filoha Rajoelina Andry, anio, rehefa avy niatrika fivoriana an-tampony tany Dakar. Handray fanapahan-kevitra tsy ho ela, amin’ny ho avin’ny governemanta ny tenany. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hiroso amin’ny fanovana ny governemanta ny filoha amin’ny […]
Tsy ho haitraitra
Hisokatra anio amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo eto Madagasikara. Hitarika izany any Ilaka Est, distrikan’i Vatomandry ny filoham-pirenena, hotronin’ireo mpikambana amin’ny governemanta sy ny andrimpanjakana maro isan-karazany. Hazo marobe no voalaza fa hatsatoka amin’ity anio ity. Tanjona ny haha fitaratra ny ezaka ataon’ny fitondrana amin’ny adidy atao amin’ny tanindrazana sy […]




