Mois : janvier 2023

Nanana olana ara-bola: raim-pianakaviana maty nananton-tena

Nentin’ny fahadisoam-panantenana tafahoatra, niafara tamin’ny famoizam-po ny raim-pianakaviana iray nitady fanampiana tamin’ny havany saingy tsy nisy niraharaha tao Sambava, omaly. Maty nananton-tena tao amin’ny fokontany Ampandrozo­na­na, distrikan’i Sambava ny raim-pianakaviana iray, oma­ly maraina. Nanana olana ara-bola izy ary niezaka nitady vahaolana tamin’izany. Very hevitra anefa ny lehilahy rehefa tsy nahita […]

Fidorohana zava-mahadomelona : naiditra am-ponja kaomisera divizionera

Naiditra am-ponja vonjimaika omaly, ilay kaomisera divizionera iray tra-tehaka nitsindrona rongony mahery vaika niaraka tamin’ny namany iray tetsy By-pass. Naharitra adim-pamataranandro maro ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny mpitsara natao famotorana « juge d’instruction » ilay kaomisera divisionera voasaringotra amin’ny fidorohana rongony mahery vaika tetsy Anosy omaly. Nandalo teo anatrehan’ny fampanoavana ny alakamisy […]

Ambatomaro: jiolahy nangalatra jiro mandeha amin’ny masoandro

Saron’ny polisy avy ao amin’ny boriboritany faha­telo (CSP3) Antaninandro teny amin’ny fokontany Am­batomaro, omaly tamin’ny 1 ora sy 30 mn maraina ny jiolahy iray. Nahatrarana entana vitsivitsy mampia­hiahy tany aminy tamin’io fotoana vao maraina io raha nifanena tamin’ireo polisy manao fisafoana amin’iny fokontany iny izy. Niroso tamin’ny fisavana azy ny […]

Jiolahy avy nandroba : nitsoaka niafina tany amin’ny fofom-badiny

Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ilay fanafihana mitam-piadina tao Manakasikely-Manjakan­driana herinandro vitsy lasa izay. Ny talata hariva teo, voasambotry ny polisy ireo telo lahy voatondro ho nandray anjara mivantana ta­min’ilay fanafihana mahery vaika. Nandritra izay, nanoro ny namany iray nitondra ilay basy nanaovan-dratsy ireto jiolahy. Araka izany, […]