Fantatra tamin’ny alatsinainy lasa teo, fa ny Alemà no hihaona amin’i Frantsa, amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fifaninanana taranja handball “Championnat du Monde 2023”. Lalao izay natao ho an’ny sokajy “Sénior” lehilahy. Izany dia ho tanterahina any Pologne, anio alarobia 25 janoary. Tsiahivina fa mitana ny laharana faharoa tao amin’ny vondrona “3” […]
Mois : janvier 2023
Grand Maître Avoko: “Ilaina ny fandraisana andraikitry ny mpanao kung fu Wisa”
Lanonan-dehibe ho an’ny Federasiona malagasin’ny kung fu Wisa, ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Mpikatroka anarivony no nandray fampianarana tamin’ny Grand Maitre Avoko, filohan’ny Federasiona. Hevi-dehibe nivoitra nandritra ny fihaonana ny nanambaran’ny Grand Maitre Avoko fa handray anjara mivantana amin’ny raharaham-pirenena ny taranja kung fu Wisa. “Ilaina […]
Mathyas : nampindramin’ny PSG ny FC Sète 34
Mbola mandeha ao anatin’ny fifindrana na “Mercato d’hiver” ny mpilalao ankehitriny. Nomen’ny PSG tolotra hindrana an’i Mathyas, mpilalao malagasy mandritra ity taom-pilalaovana ity ny Fc Sète 34. Vaovao nalaza tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. 19 taona Randriamamy Mathyas, ary ao amin’ny Nasional 2 izany izy no hilalao ankehitriny. Tsiahivina fa mpilalao […]
Kitra – «Chan 2022»: nahafaty baolina 5, nidirana 1 ny Barea
Taorian’ny lanonana tsotra nanamarihana ny fiakarana amin’ny ampahefa-dalana, amin’ny “Chan 2022” ny alatsinainy lasa teo, avy hatrany dia niverina an-kianja nikotrana ny Barea. Tsy niandry ela fa taorian’ny fahazoan’ny Barea de Madagascar ny tapakila hiatrehana ny dingana ampahefa-dalana, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy matihanina […]
SG Madagasikara : hitarina ny efitrano fiofanan’ny AFT
Tsy mionona amin’ny lafiny tontolo ara-bola ny banky Société générale (SG) Madagasikara. Misy koa ny tetikasa sosialy hanohanana ny fiaraha-monina. Manome lanja ny fampiroboroboana ny fanabeazana, ny hahaizan’ny daholobe ny teny frantsay, ny kolontsaina ary ny vaky boky ity banky ity. Isan’izany ny fanampiany ny Alliance française Antananarivo (AFT), hanitarana […]




