Mois : janvier 2023

Rio Tinto QMM : hampitombo 10 tapitrisa dolara eo amin’ny RSE

Fanaovan-tsonia fifanarahana miisa telo no tontosa teo amin’ny orinasa QIT Madas­gascar Minerals (QMM) sy ireo mpanjono avy ao Hova­traha, Andranokana, Andra­karaka, Amparihy sy avy amin’ny kaominina Ampasy Nahampoana ary i Mandro­mondromotra.Tao koa ireo mpitrandraka hazo fihinamboa (usufruitiers) avy amin’ny mpiara-monina manodidina ny toeram-pitrandrahan’i Mandena. Manamarika ny fanatanterahana ireo fifampidinihana tamin’ny […]

OMD: mampahafantatra ny asan’ny fadintseranana

Toy ny isan-taona, Man­kalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fadintseranana JID (1) isaky ny 26 janoary ny Fiombonamben’ny fadintseranana maneran-tany OMD (2). Lohahevitra noraisina ny hoe «Fanohanana ireo tanora hoavin’ny firenena : hizarana fahaizana sy hanamafisana ny fahaiza-miasa ao amin’ny fadintseranana». Mankalaza izany ny Fadin­tseranana malagasy rahampi­tso 26 janoary. Amin’ny […]

Ben’ny Tanàna Ankilimalinike: hany vahaolana ny hisokafan’ny Base Toliara

Taterin’ny ben’ny Tanàna, fa miha-ratsy ny zava-misy any amin’ny kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II. Sahirana ara-pivelomana ny mponina vokatry ny tsy fisian’ny asa. Vahaolana ny hanokafana ny Base Toliara. Tandindomin-doza ! No­hitsian’ny ben’ny Ta­nàna Ankilimalinike, Mahatoro Longin, fa manjaka ny asan-jiolahy any amin’io kaominina io, satria tsy manana asa ny […]

Tazomoka ao Vangaindrano : nofanina ireo lehiben’ ny CSB miisa 56

Ao anatin’ny faritra mbola ahitana aretina tazomoka betsaka ny ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano. Nofanina ha­naraka ny kalitaon’ny fitsaboana ity aretina ity, ireo lehiben’ny CSB miisa 56 any an-toerana. Avy amin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina any an-toerana ny telo amin’ ireo nahazo fiofanana. Tanjona ny hisitrahana fomba fitsaboana ny aretina tazomoka mitovy […]