Nanampy ireo voafonja voatazona ao Betroka ny fikambanana Association Zanak’i Gasikara (AZIG). Ondry roa, vary roa gony, zava-pisotro no natolotra ho azy ireo ny alahady lasa teo . Mba niova tamin’ny balahazo ny sakafo nozaraina ireo voafonja. Nofaranana tamin’ny lanonana namalifaliana azy ireo ny hetsika. 280 ireo voafonja nisitraka ny […]
Mois : janvier 2023
Nanome toky ny fanjakana: azo antoka ny Paracétamol eto amintsika
Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny fitaleavana miandraikitra ny fanafody “Agence du Médicament de Madagascar”, mahakasika ny vaovao tsy marina miely momba ny fanafody Paracétamol tonga eto amintsika. Mandalo fanaraha-maso sy fitiliana avokoa ny fanafody rehetra miditra eto Madagasikara izay vao mivelatra eny amin’ny fivarotam-panafody, raha ny tatitry ny […]
Tsy ahina hiverina an-tanety: mbola mitondra orana betsaka i Cheneso
Nitombo hery ka lasa rivodoza indray i Cheneso. Omaly maraina, tany amin’ny 190 km andrefana somary avaratra andrefan’i Morondava no nisy ny foibeny. 65 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra manodidina ny 90 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianavaratra andrefana i Cheneso ka nahafaka 6 km isan’ora. […]
Covid-19: misy fanaovam- baksiny eny amin’ny perception principale
Niantomboka tamin’ity volana janoary ity ny fanaovam-baksiny Covid-19 eny amin’ny perception principal telo eto Antananarivo. Anisan’izany ny eny Amboditsiry, Mahazoarivo ary Mahamasina. Tanjona ny fanamorana ny fanaovam-baksiny ireo zokiolona tonga maka fisotroan-dronono amin’ireny toerana ireny. Tsy voatery manatona CSB intsony fa efa manakaiky azy ireo ny fanaovam-baksiny mba tsy hisian’ny […]
Noho ny toetr’andro : mihena ny mpitsidika ny Musée de la photo
Iray amin’ireo toerana manana ny lanjany eo amin’ ny firaiketana ny tantaram-pirenena ny Musée de la photo, eny Anjohy. Nahitana fihenany anefa ny isan’ny mpitsidika eny an-toerana, noho ny faharatsian’ny toetr’andro. Nanomboka tany amin’ny fiandohan’ny taona 2023, nahatratra 75 isan’andro ny mitsidika ireo tahirin-tsary mirakitra tantara eny an-toerana. Vao nanomboka […]




