Mois : janvier 2023

Nitsindrona “héroïne”: jeneraly polisy voasambotra

Voasambotra tamina hotely eny amin’ny By-Pass, ny kaomisera divizionera iray. Tratra am-bodiomby, nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika izy. Tratra teo am-pitsindronana zava-mahadomelina mahery vaika ny kaomisera divizionera iray eo anivon’ny polisim-pirenena. Nosamborina tao amina hotely eny amin’ny lalan’ny By-Pass izy, ny alatsinainy alina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany. “Mbola […]

Brieville : ankizilahikely nihotsahan’ny trano

Zava-doza no niseho tao amin’ny fokontany sy kaominina Brieville, Ambanitsena, distrika Tsaratanàna, omaly. Ankizilahikely valo taona no maty nihotsahan’ny trano to­ko­ny ho tamin’ny 01 ora ma­raina teo. Niseho tao anatin’ ny torimaso ny loza. Tamin’io fotoana io, nitsahatra ny orana ary samy raiki-tory izy telo mianaka tompon-trano. Ilay ankizilahikely natory […]

Taksiborosy tra-doza: zazakely iray maty, olona valo naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray omaly maraina teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy (RN5). Tra-doza tamin’izany ny fiara Sprinter iray, taksiborosy mampitohy an’i Vavatenina sy Toamasina. Tra-doza tampoka anefa izy nony tonga teo Andranotsara, fokontany sy kaominina Ampasibe-Onibe. Tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany teo, nivadika tampoka ny fiara rehefa niala lavaka teo […]

Kamiao lasan’ny rano: maty voatsindry ny mpamily mpanampy

Nitera-doza ka nahafatesana olona iray indray ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsak’ orana nisesisesy tao amin’ny distrikan’i Mampikony. Niva­di­ka tampoka teo Antanetilava ny kamiao lehibe iray avy any Tsarahasina nikasa hihazo an’i Mampikony, omaly tolakandro. Nitondra olona vitsivitsy, efa mpandeha amin’io lalam-pirenena io ity fiara ity. “Vokatry ny fiakaran’ny rano, […]

Trafikana rongony: sivy mianadahy sarona, roa vao nivoaka ny fonja

Voasambotry ny mpitandro filaminana, ny zoma teo, ireo tanora isan’ireo mpivarotra sady mpamboly rongony eto an-drenivohitra. Vao avy namita sazy ny roa tamin’ireo sivy mianadahy. Tratra teny Andrefan’ Ambohijanahary, Manarintsoa izy rehetra ary miandahy miambavy mihitsy. Enina amin’ireo ve­hivavy avokoa, lehilahy ny telo. Manodidina ny 15 sy 16 taona ny […]