Notanterahina teny amin’ ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny talata 25 janoary 2023, niresahana mahakasika ny hetsika “Taom-baovao”. Hetsika hifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao sy hifampirarina ny soa sy ny tsara ho an’ny fianakaviamben’ny IFM. Eo ihany koa ny hanaovana tatitry […]
Mois : janvier 2023
Filankevi-pitantanan’ny Omda: nafana ny fanehoan-kevitra, saingy tontosa ny fifidianana
Ny isavorovoroan-kilantoana tokoa… Nanomboka tamin’ny disadisa sy ny fifanoheran-kevitra ny fivoriamben’ireo mpikambana tao amin’ny Omda. Niafara tamin’ny fifidianana izay neken’ny rehetra ihany anefa izany. Voafidy ireo hisolo tena ny mpikambana eo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny Omda. Fito ireo nilatsaka teo amin’ny sokajy mozika, ka lany tamin’izany i Jaojoby, Zoky Vonjy, Tonton Pà […]
Torkia sy Madagasikara : mihamafy ny fiaraha-miasa
“Vonona ry zareo amin’ny fiaraha-miasa na eo amin’ny fampianarana, fambolena, na indostria… Eo koa ny fanamafisana ny fifanakalozana eo amin’ny fizahantany, ananan-dry zareo traikefa amin’ny lafiny fitaterana ana habakabaka”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, momba ny fihaonana sy ny fifampidinihan’ny delegasiona parlemantera avy any Torkia sy ny loholona teny […]
Fiatrehana fifidianana: tsy misy lalàna mifehy ny mialoha ny fampielezan-kevitra
“Tsy misy ny famaritana ny hoe vanim-potoana mialoha ny fifidianana. Tsy misy lalàna momba an’izay. Raha ny marina, tokony hitranga mandavantaona ny fihetsiketsehana politika rehetra mialoha ny fotoam-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, ny amin’ny vanim-potoana mialoha ny tena fampielezan-kevitra izay efa misy manao hetsika politika […]
Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: nodinihina ny hahazoan’ireo Diaspora mifidy
Tsy ho very zo fa efa an-dalam-pikarohana vahaolana ny fanjakana. Nanaovana atrikasa manokana, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), Anosy, omaly ny fomba ahazoan’ireo teratany malagasy miasa sy monina any ivelany, mandray anjara feno amin’ny fifidianana sy ny hisitrahan’izy ireo izany zo izany. Nitarika izany ny eo anivon’ny MAE ary iarahana […]




