“Tsy izaho no nanala azy, fa hevitry ny vahoaka niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna ary nandalo ny filankevitry ny minisitra dia nesorina ny préfet”, hoy ny governoran’i Bongolava, ny Jly Ramiaramanana Joseph. Fanehoan-keviny momba ny hetsika an-dalambe sy filanjana sora-baventy ary kabary nataon’ny sasantsasany amin’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry ary ny […]
Mois : janvier 2023
Vovonana miara-dia any Frantsa : “Tsy vita indray andro ny fampandrosoana”
Notontosaina ny asabotsy teo tany Frantsa tahaka ny mahazatra ny fandaharana “Tafa miara-dia”. Nikarakara izany ny Vovonana miara-dia, “Miara-dia amin’ny filoha Rajoelina Andry ny Diaspora”. Anisan’ny nitondran’izy ireo fanehoan-kevitra ny momba ny toe-draharaham-pirenena, amin’izao fotoana izao. Niaiky ny mpanolotsain’ny Vovonana miara-dia, ny Dr Rakotoniaina Zo tamin’izany fa tena mbola ao […]
Depiote R. Feno : “Ilaina ny mahazaka tsikera”
Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny solombavambahoaka Tim, Ralambomanana Feno, voafidy tetsy amin’ny boriborintany III. “Mila mahazaka tsikera sy mandray lesona amin’ny zavatra tsy mety ataony ny mpitondra fanjakana amin’ izao fotoana izao. Aoka tsy mandany andro sy variana manohitra ny mpanohitra fa lasa mivarina an-kady ny firenena”, hoy […]
Savorovoron’ny mpanakanto: tafiditry ny mpanararaotra, jiolahy tratra nanendaka
Nisehoana savorovoro teo amin’ny samy mpanakanto teny Mahamasina, omaly. Nandritra ny fivoriam-be, nikasa hiditra tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, ny mpihira Rossy sy ny mpitsoka mozika. Tsy tafiditra anefa izy ireo. Nosakanan’ny mpanakanto namany, noho ny filanjana sora-baventy maneho ny tsy fankasitrahana ny minisitry ny Serasera sy ny […]
Tsy misy varany !
Mbola manjombona ny andro, maizina ny lanitra. Mihamiakatra ny renirano. Ho an’Antananarivo, tsy hifampitsinjova-mandeha ny lalana amin’ny hatevin’ny rotsak’orana. Manahirana ny fivezivezena amin’ny sakeli-tanàna maro noho ny ranobe, manarona ireo lavaka eto ampovoan-tanàna. Betsaka ny fiara mihitsoka na maty am-pandehanana. Voafandrika anaty ranom-potaka na dibo-drano hatrany anaty maotera. Mikaikaika ny […]




