Tao Toamasina no nanohizan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, ny fidinana ifotony ho fanomanana ny fanokafana ny fotoam-pitsarana 2023, afakomaly. Notsidihan’ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana tampony ny fonjaben’Ambalatavoahangy. Fankaherezana ireo voafonja, fanazavana ny fanalefahan-tsazy ary dinikasa niarahana tamin’ireo mpandraharahan’ny fonja ao an-toerana no natao. Ny tolakandro, dinikasa niarahana tamin’ireo mpitsara sy ny lehiben’ny firaketan-draharaha ary ireo mpiraki-draharaha tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina. Niompana tamin’ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ny samy mpiara-miasa ary indrindra amin’ireo vahoaka ny lahadinika. Nandritra izany no nanomezana toromarika ho fampivoarana ny fomba fiasa. Eo koa ny hampisongadinana ny maha izy azy ny fitsarana malagasy.
Jean Claude




