FANTINA sy FINTINA

Ho afaka ireo sazy iraisam-pirenena, aorian’ny fanatanterahana ireo fifidianana amin’ny 2027, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc teny Ivato, omaly. « Mandray anjara amin’ny dinika eny amin’ny CCI izy ireo ho fanatsarana ny fifidianana. Miankina amin’ny birao politika ny kandidàn’ny antoko », hoy izy.

Tany Sava ny minisitry ny Raharahambahiny, N’Diaye, ny herinandro teo. Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny diplomasia ifotony sy fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izany. Voaresaka ny fanatsarana ny fandrindrana ny raharaham-panjakana, ny fanafainganana ny fikirakirana dosie ary ny mangarahara.

Ambasadaoro vaovaon’i Sina eto amintsika i Liu Wei. Nanolotra ny taratasy manendry azy amin’­­iza­ny toerana izany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye, ny tenany ny herinandro teo. Nifanojo tamin’ny fankalazana ny faha-54 taona niorenan’ny fifandraisana diplomatika eo amin’ny firenena roa tonta io datin’ny 6 novambra io.

Partager sur: