Fifidianana : «Fitsapan-kevi-bahoaka no hatao voalohany», hoy ny mpizaika

Lany nandritra ny fikaonandoha-politika andiany faharoa teny Ivato fa ny fitsapan-kevi-bahoaka no hatao aloha. Natolotry ny Kly Randrianiriana Michaël ny FFKM, omaly, koa ireo fehin-kevitra voaangona teny Iavoloha tamin’ny volana septambra.

Tsy fisafidianana volavolana lalàmpanorenana roa na telo no hatao, fa fitsapan-kevi-bahoaka “Eny” na “Tsia” amina volavolana lalàmpanorenana tokana? Ta­paka tamin’ny fanolorana ny angon-kevitra tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, fa fitsapan-kevi-bahoaka no latsa-bato hatao voalohany amin’ny 2027. 95% amin’ny angon-kevitra, ny 1-8 septambra, fa fitsapan-kevi-bahoaka no hatao voalohany. Adihevitra harahina fanapahan-kevitra momba ny fifidianana no atao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fana­vaozana, ny kolonely Randria­nirina Michaël. Ny ampahany amin’ireo sosokevitra mila fanapahan-kevitra maika, ka ilaina ny fanapahan-kevitra amin’ny atrikasa. Hatolotra hampiasaina amin’ny fikaonandoham-pirenena kosa ny sisa.
“Tsy maintsy mandroso isika. Fe-potoana efa nofaritantsika ny hanatanterahana fifidianana amin’ny taona ho avy. Ezahina ny hahatontosa izany tanjona izany”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana. Ira­riana hivoaka amin’ny atrikasa tetiandrom-pifidianana. Lalana afa-miantoka ny fametrahana tontolo hisian’ny fifidianana malalaka sy mangarahara ary handraisan’ny Malagasy rehetra anjara ny dinika ifanaovan’ ny samy Malagasy. Azo atao ny mandray fanapahan-kevitra iraisana ao anatin’ny firahalahiana sy fifanajana ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena. 17 ireo volavolana hevi-dehibe dinihina, ary misy manampahaizana manokana telo ho loharanon-kevitra ha­na­mpy amin’ny fanapahan-kevitra. Ireo angon-kevitra mahatratra telo baoritra dia avy amin’ny Polisim-pirenena, Tafika, minisiteran’ny Raha­raham-bahiny momba ny diplaomasia, vovonan’ny raiamandreny ara-drazana tany atsimo… Nam­baran’ny filo­han’­ny FFKM, ny Mgr Rana­rivelo Samoela Jaona, tamin’ ny mpanao gazety kosa fa na inona na inona tapaka amin’ny sehatra mialoha, ny fikaonandoham-pirenena no tompon’ ny teny farany.

R. Nd.

Partager sur: