Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena, ankihitriny, i Maka Alphonse. «Be loatra ny fihatsarambelatsiny eto amintsika», hoy izy.
“Mbola averiko ihany: be loatra ny fihatsarambelatsihy amintsika. Tena tsy misy finiavana hoe hijery ny hoavin’ny firenena”, hoy ny filohan’ny Conseil du Fampihavanana Malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Raha izay tombontsoa ambonin’ny firenena izay no lalan-kevitra mitondra ny mpisehatra politika, na avy amin’ny fitondrana na mpanohitra na olom-pirenena tsotra: mora ny hisian’ny fifampiresahana, fitoniana…
Inona no mahafaty antoka raha mifampiresaka? Eo ireo mpisehatra politika sy mpisehatra amin’ny fifidianana, mpiara-miombon’antoka, raiamandreny, tanora… “Mahazo tombony isika raha mahay mifampiresaka”, hoy izy. Raha ny tantaram-pirenena no jerena, niteraka korontana hatrany ny fifidianana. Ny anongotsongoana ny maty, tahotra ny handevim-belona. Izay no nahatonga ny CFM nitady sy niady hevitra momba an’izay?
Tsy mendrika krizy intsony ny firenena
Iaraha-mahita ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Efa nahiana ihany izay, fony ry zareo mbola tao amin’ny CFM. Izay no nahatonga azy ireo nitety andrimpanjakana, mpanohitra, firaisamonina sivily… Nifampidinika izay hatao izy ireo hisorohana ny krizy vaovao. Tsy hiverenan’izay no nanatonana an’ireo ankolafin-kery rehetra. Ao anatin’izany ny mpiara-miombon’antoka amin’ i Madagasikara. Tsy mendrika ny firenena intsony izany krizy izany.
`
Efa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny CFM. Na izany aza, olom-pirenena ny tena: tsy mety ny mitazam-potsiny na miala. Firenena iraisana i Madagasikara: inona ny hatao mba tsy hisian’izay korontana izay intsony? Izay no nananganana sehatra ifampiresahana. Nanakianana an-dry zareo fa hoe miandany amin’ny fanaovana fikaonandoham-pirenena. Endrika iray amin’ ny fifampidinihana ny fihaonambem-pirenena. “Aoka isika hahay hifampiresaka amin’izany. Satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra, Ramalina aza mifehy hazo tokana”, hoy ihany izy
R. Nd.




